Berija – Mangataka hiasa ivelan’ny fonja, nahavita sazy 22 /44 volana

Niaina

Nahavita ny saziny 22 volana mahery amin’ny 44 volana i Berija amin’izao fotoana, noho izay antony izay, mangataka hiasa ivelan’ny fonja ny tenany. Araka ny fanambarana nataony tamin’ny gazety, nampitondainy ny fianakaviany : « 44 mois ny saziko dia nahavita 22 mois mahery izaho izay, ka ny ato raha misy voafonja mahavita antsasa-tsazy dia afaka mangataka hiasa ivelan’ny fonja, fa manao pointage ety isan-kerinandro, dia efa any amin’ny tompon’andraikitra io demande na fangatahana io dia matoky ny fianakaviako tsy hanao deux poids de mesure, na fitanilana ny lehiben’ny fonjan’Antanimora. Nangataka amin’ny Ministry ny Justice sy ny Filohampirenena koa moa ny fianakaviako, mba tsy hisy ny tsindry fa hanana zo mitovy amin’ny detenus na ny olona voatazona rehetra ny tenako. Faharoa, efa nangataka indroa miantoana tamin’ny lehiben’ny fonja ato ny tenako, mba hafindra Maputo, natokana ho an’ny gadra politika, nohon’ny tsy fahasalamako, fa tsy nekeny. Mijaly sy sahirana aho amin’izao fotoana, satria 5 m2 no efitra misy ahy, ka olona 60 mahery no miaraka aty dia sempotra lava aho. Koa mangataka ny famindrampon’ny tompon’andraikitra, mba hijery akaiky izao fangatahako sy ny fianakaviako izao tompoko”.