MPITONDRA EFA TSY MILAMINA

(Sary Tia Tanindrazana)

Olona efa tsy milamina ianareo rehetra ireo,
Fa sahobakaka ambodiriana ka raha vao maheno feo,
Na misy zavatra mihetsika dia efa tena tsy mitony.
(Izay ‘nareo rehetra ireo izay manan-toerana eny ambony!)

Olona efa tsy milamina, efa toa marary saina,
Noho ny seza mihozongozona, efa tsy hita hantenaina.
Ka ny “taona roa” hifarana no hany sisa hanamparana,
Hahafahana miletra sy manohy ny fangalarana!

Olona efa tsy milamina f’efa misavoana sisa.
Miezaka ny ho avo feo ka maka tahaka ny gisa.
Ny mpangala-ketsa indray no mbola toa mianjonanjona.
(Fantapantatra eny ihany hoe inona no tena tanjona!)

…Olona efa tsy milamina f’efa hifarana ny diany,
Ka dia ny mamafy lainga no hany sisa fifaliany.
Feo roambinifolo taona nitondrana ho any an-davaka.
“Ampy izay, mialà ’nareo”, izay no ataonay ho antom-bavaka!

IRINA HO TAFITA (18-04-22)