IZAO VE SISA ILAY IARIVO ?

(Sary Tia Tanindrazana)

Ilay Iarivo natao hira sy nasandratra fahiny,
Lalina ny halotoany ka mampiaiky ankehitriny!
Iretsy fako mivangongo, mampiaiky hatramin’ny moana.
(Iarivo izao ankehitriny no mpanjakan’ny halotoana!)

Izay alehanao rehetra, tena tsisy mahafinaritra.
Loto, fako, fitohanana, ireo no hita sy tsikaritra.
Tsy lazaina ny mpanendaka fa dia miasa an-kahalalahana.
(Izy sy iza re izany no nanao fifanarahana?)

Ny mpivarotra etsy andaniny toa tsy misy tokotaniny,
F’izy ireo sy ny kaominina, tena mifampila vaniny.
Mifanenjika hatrany toy ny saka sy voalavo.
Vahaolana, tsy misy, fa dia toa manjavozavo!

Raha ny lalana indray dia tsy ahitana fivoarana,
Fa dia potika tanteraka sy tsy misy fanamboarana.
Tampintampina no misy, manavanana an-dry sola,
Fa ny re miverimberina dia ny tsy fisian’ny vola!

Tsy ny hita maso ihany fa hatramin’ny fitantanana,
No malaza ho tsy madio ka misy ny fifanolanana.
Be dia be ny lalam-bola sy karazam-pitrosana
Tsy manaraka lalàna sy fitsipi-pitondrana.

…Izany sisa ilay Iarivo izay nalaza be omaly,
Nony injay ny Vazahabe nitantana ny kapitaly.
Mahalasa ny eritreritra raha ambara ho vazaha,
Kanefa tena tsy madio sy tsy afaka mifampitaha!

DADAN’i ZINA (18-04-22)