NANDEHA NIVARO-PAHANTRANA ?

Ny fahantran-dRamalagasy indray no ezahina hamidy,
Sady tena arantiranty mba ho tazana eran-tany?
Mbà misaina sy mandinika, dia mahaiza misafidy:
Lala-mendrika no izory f’aza lalam-poza hatrany!

Dia natoko ho entam-barotra ireo vahoaka sesehena
Izay miantsoantso vonjy sy miandrandra fanampiana?
Moa dia tena aetry ve ny voninahi-pirenena,
Fa ny hahazo volabe no hany tena faniriana?

Ianareo no nampahantra, nahatonga antsika ho gisitra,
Nefa avy eo dia mihazakazaka, re manketsy sy makatsy.
Dia lazainareo f’isika no “modely”, “lohalisitra”
Amin’ireo mahantra indrindra izay tohanan’ny mpamatsy?

Fomba ambany toy izany, tena hoe mirefarefa,
Izany sisa no azo aseho mba hoenti-manatsara endrika?
Ry mpitondra o mihevera! ny vahoaka anie “tsy zefa”.
(Ianareo no nahatonga an’ito sambo ho tena rendrika!)

…Raha izao dia miharihary fa hivaro-tanindrazana,
Izay no tetikady farany ho anareo miseho ho mazana.
Koa mialà tsisy hatak’andro f’efa mampihidy vazana
Ny rehetra ataonareo izay tsy ahitana fahombiazana!

DADAN’i RIANA (18-04-22)