Fikaonandoham-pirenena – Tsy an’ny mpanohitra fa an’ny Malagasy rehetra

Isambilo

Notanterahana teny Andraharo ny talata lasa teo, ny dinika savaranonando, ho fanomanana ny fikaonandoham-pirenena hatao eto amintsika. Nasaina niatrika izany avokoa ny antoko politika na mpanohitra, na miara-dia amin’ny fitondrana, ny avy amin’ny fiarahamonim-pirenena, fikambanana samy hafa,…

Tsy tonga niatrika izany anefa ny mpiara-dia amin’ny fitondrana. Raha ny nambaran’ny isan’ny mpikarakara izao hetsika izao anefa, ny depioten’Ambohidratrimo, sady kestoran’ny Antenimierampirenena Mamy Rabenirina, fa tsy an’ny mpanohitra ihany ny fikaonandoham-pirenena hatao, fa ho an’ny Malagasy rehetra tsy ankanavaka mahatsapa fa tsy araka ny tokony ho izy ny lisi-pifidianana misy amin’izao fotoana izao. Toy izany koa ireo lalàna samihafa mifandraika amin’izany, toy izany koa ny tokony hanamboarana ny lalam-pifidianana, mba ho eken’ny rehetra tsy hisy romoromo ny fifidianana rehetra ho avy eto amintsika ary ho fanjakana marin-toerana no hijoro ao aorian’izany fikaonandoha nasiônaly izany, hitondran’ny olom-pirenena rehetra ny soso-keviny hamahana ny olana maro samy hafa misy amin’izao fotoana izao.

Fakana hevitra ho entina amin’ny fikaonandoham-pirenena no natao ny talata lasa teo io. Nivoitra tamin’ny fandraisam-pitenena nandritra izao dinika savaranonando izao koa, fa tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy intsony ny lisi-pifidianana eto amintsika, betsaka ny lesoka momba ny lalàna samihafa eo amin’ny resaka fifidianana ary hita koa fa misy fitanilana ny rafitra miandraikitra ny fifidianana toy ny CENI, sy ny HCC, ka mila hahitsy ny momba izany rafitra izany. Arak’izany, misokatra ho an’ny rehetra ny fikaonandoham-pirenena ho avy eto Madagasikara io, ary tokony ho tanterahana izany mialohan’ny fifidianana ho avy ary tokony tsy ho ela ny hanaovana azy.