Toa mangotrakotraka izany ny toe-draharaha eto amin’ny firenena

Andry Tsiavalona

Tsy mitsahatra misondrotra ny hafanana eo anivon’ny toe-draharaha eto amin’ny Firenena, eo amin’ny sehatra rehetra, ka efa mangotrakotraka mitady hanapoaka sarom-bilany izay rehetra ihàran’izany. Na izany aza dia mihevitra ny mpitondra, fa rehefa miezaka mamono afo amin’ny fomba rehetra izy dia ho toy ny sosoa tapohan-drano ny toe-draharaha, ka hihena ny hafanana. Ny mifanohitra amin’izany anefa ny zava-misy satria toa vao manika mandroso kitay ao anaty afo izany, ka azo inoana fa hiitatra tsy azo tohaina manerana ny Nosy ny hafanana, ka hotsofin’ny entona mahamay ny sarom-bilany.

Eto an-drenivohitra dia avoakan’ny haino aman-jery, fa voasambotra na voatifitry ny mpitandro ny filaminana ny mpangarom-paosy sy mpanendaka ary mpanafika fivarotana. Toy ny rano mitete ao anaty ranomasina anefa izany, satria any amin’ny amin’ny tany lavitr’andriana any dia miraviravi-tànana ny vahoaka noho ny asan-dahalo ary sarotra ho an’ireo mpampandry fahalemana no miaro ny mponina sy manosika ireo fahavalom-bahoaka. Tsy ampy fitaovana sy vitsy olona ny mpiaro ny vahoaka sy ny fananany, satria mitangorona an-tanàn-dehibe ny fiara mifono vy sy ny fitaovam-piadiana mahery vaika, ny tafika sy polisy ary zandary. Tsy hita any amin’ny kaominina ambanivohitra ihany koa ny « drône » sy ny angindimby entina manenjika ny dahalo.

Noferana ny vidiny ambony indrindra ho an’ny entana ilain’ny mponina andavanandro ho an’ny eto amin’ny Faritra Analamanga. Tsy fantatry ny mpitondra angamba fa misy ny fifaninanana malalaka eo amin’ny resaka vidin-javatra, ka tsy eny amin’ny mpaninjara no arahi-maso fa ny mpambongady, kanefa tsy sahin’ny tomponandraikitra ny manao izany, satria saiky karana no misehatra amin’izany. Any ambany ravin-kazo koa dia mijaly ny vahoaka satria tsy manana fahefa-mividy intsony, satria efa valonjato fara-fahakeliny ny iray kapoaka amin’ny vary. Tsy mandray ny andraikiny ny mpiasan’ny minisiteran’ny varotra any an-toerana noho ny antony tsy fantatra. Tsy manana vahaolana matotra ny fitondrana amin’izao fotoana izao eo amin’ity sehatry ny vidim-piainana ity kanefa dia anisan’ny fototry ny tsy fandriampahalemana izany. Manampy trotraka ny toe-draharaha ny tsy fananana asa satria rehefa noana ny kibo dia mivezivezy ny fanahy. Raha ny eto an-drenivohitra manokana no jerena dia mitombo andro aman’alina ny mahantra, sy matory eny rehetra eny ary ny ankamaroan’izy ireny dia vehivavy manana zaza roa na telo. Tsy voavaha ihany koa ny olan’ny kere any Atsimon’ny Nosy ary tsy ny any ihany intsony no misy ity toe-javatra ity fa efa mikisaka mianavaratra.

Eo amin’ny sehatry ny politika dia miha-mafana ny toe-draharaha, satria miatrika vava ady roa ny ao amin’ny fitondrana satria ankoatry ny mpanohitra izay tsy mitsahatra ny mitsikera sy manakiana ny tsy fahaiza-manao sy ny tsy fahaiza-mitantana ary ny fanitsakitsahan-dalàna ataon’ireo olomboafidy, na olomboatendry manana andraikitra eo amin’ny fitondrana dia miady an-trano samy te-ho lohany ry zareo. Tsy takona hafeninana intsony ity toe-javatra farany ity, satria toy ny mpiady an-tsena ny ao amin’ny fitondrana ao, ka imasom-bahoaka no manondrana. Tsy maintsy rava anefa ny fanjakana miady an-trano satria tsy misy afaka manetry tena, ka tsy mihevitra afa tsy ny ho an’ny tena ihany. Ny tena ahiana hampangotrakotra ny rano amin’izao fotoana izao dia ny tsy fandoavan’ny mpitondra ny vatsim-pianarana sy ny karaman’ireo mpandraharaha ara-pitantanana sy teknika eny amin’ny Anjerimanontolo ary ny an’ireo orinasa nanamboatra làlana. Rehefa mitambatra ireo loza mihàtra eto amin’ny Firenena ireo dia tsy maintsy hiray hina ny traboina rehetra, ka hitady ny fomba mahomby sy voasaina entiny hanohitra sy hamongotra izay nahatonga ny loza.