Fitsarana mitanila – Gadrao koa Vazahabe hoy Eliana Bezaza

Stefa

Manoloana ny fisian’ny fitsarana mitanila eto amintsika amin’izao fotoana, nampiaka-peo ny sekretera nasiônalin’ny antoko PSD (Parti Social Democrate), Eliana Bezaza. Raha ny fanambarana izay nataony, tokony ho gadraina koa ny ben’ny tanànan’Antananarivo Vazahabe Naina Andriantsitohaina.

Nanambara ity mpanao politika avy any amin’ny faritra Sofia Mahajanga ity fa: “Pôle Anti Corruption, na PAC, atsaharo ny fanavakavahana: rehefa maire ambanivohitra aminay Mahajanga aty dia gadraina avy hatrany, fa ny henjana ampangain’ny betsaka manao kolikoly ao Antananarivo ao tsy gadraina. Ampitovio ny olona rehefa samy nanao. Raha tsy izany dia aza misy gadraina ary avoahay ireo efa nogadrainareo. Atsaharo io fitsarana mitanila io”, hoy izy.

Ny zava-misy tokoa amin’izao fotoana, modian’ny fitsarana amin’ny ady amin’ny kolikoly fanina fotsiny, ny fandikan-dalàna ankehitriny izay hita fa nataon’ny ben’ny tanànan’Antananarivo. Samy mametraka fanontaniana koa ny maro, rehefa ny kaominina lehibe toy ny kaominina Antananarivo Renivohitra izany dia afaka mindram-bola amin’ny Cnaps, fa raha ny kaominina hafa madinika, na any amin’ny faritra tsy afaka manao izany. Tena hita tokoa fa toa misy ny fanavakavahana amin’izao fitondrana Andry Rajoelina izao.

Rohy FB: https://www.facebook.com/100000496336411/posts/5871053832921103