EDITO 14 Aprily – Vahoaka Malagasy miaina anaty fahantrana lalina andro Paska

Sôh’son

Ao anatin’ny fotoana iainana ny herinandro masina ny mpino kristiana amin’izao fotoana izao. Zava-dehibe ho azy ireo izany ary ity alakamisy ity aza no tena andro lehibe ho azy eo amin’ny finoany, mialoha ny alahady andro Paska izay fototra iorenan’ny finoany, noho ny fandresen’i Jesoa Kristy ny fahafatesana sy nitsanganany tamin’ny maty. Tsy an’ny kristiana ihany anefa ny andro lehibe, fa iombonany amin’ny olombelona rehetra, ary na tsy kristiana aza dia manome lanja izany andro Paska na Paka izany, na dia tsy mifanaraka loatra amin’ny finoana kristiana aza ny hanamarihany azy. Dia iaraha-mahita irey fety aman-danonana maro samihafa, mbamin’ireo zavatra na sakafo isan-karazany entina hanamarihana izany.

Izay indrindra no misarika ny saina ny hijery ny amin’ny fanomezan-danja ataon’ny fitondrana izany fotoana izany. Mahakivy raha ny zava-misy eto amin’ny tanànan’Antananarivo renivohitra no jerena. Ny zava-misy miharihary, maloto ao anaty fako Antananarivo. Ao anaty fako sy loto no ampiainan’ny fiadidiana ny tanàna ny mponina Antananarivo sy ny manodidina azy, ao anatin’izao herinandro miditra ny Paska izao. Tsy fanomezan-danja ny andro sy ny fetin’ny Paska izany n’inona n’inona fanazavana. Raha handalo sy hitsidika amin’ny toerana iray ny filohan’ny Repoblika, mazava loatra, fa hikoropahan’ny tomponandraikitry ny tanànan’Antananarivo ny fanadiovana amin’izany. Eto anefa, andro lehibe ho an’ny maro, kanefa tsy mahamaika ny asa fanadiovana ny tanàna.

Ny any an-trano fonenan’ireo tomponanandraikitra na ny an’i Vazahabe Ben’ny tanàna tsy tehafin-dalitra araka ny fitenenana, fa ny toerana iainan’ny vahoaka isan’andro zara raha atao. Azo itarafana sy andrefesana mazava tsara ny fomba fisainana sy ny fomba fiasa eo anivon’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo renivohitra izany toe-java-misy izany. Ny zava-dehibe ho an’ny vahoaka tsy mahamaika sy tsy mampiraika ny mpitantana.

Tsy tokony ho hadinoina ary tokony ho fantatra ihany koa raha tsy hay, fa misy fiantraikany amin’ny fomba fisainan’ny mponina ny fahadiovan’ny tanàna amin’ny fotoan-dehibe samihafa, fa tsy amin’ny andro fetin’ny Paska toy izao ihany. Ary tokony ho isan’andro aza izany, fa iny lasa fampanantenana poak’aty nataon’ny Ben’ny tanàna tamin’ny fampielezan-kevitra fotsiny sy namitahana ny mponin’Antananarivo.

Iray ihany ny Ben’ny tanàna sy ny fitondrana Rajoelina, mitovy fomba fiasa sy fomba fisainana amin’ny fitantanana ny firenena. Iray antoko rahateo ireo. Raha atao mahitsy ny filaza azy, tsy misy fivoarana Antananarivo renivohitra tao anatin’izay nitondran’ny Ben’ny tanàna ankehitriny azy izay. Toy izay ihany koa ny firenena tantanin’ny fitondrana Rajoelina. Vao mainka aza miha-mihitsoka lalina hatrany ao anaty fahantrana ny sarambabem-bahoaka. Ilay vahoaka malagasy miaina anaty fahantrana miatrika ny fetin’ny Paska 2022.