Tontolo iainana – Nifampigidraka ny mpiasan’ny ONE ny zoma teo

Rija Rakotoson Tale Jeneraly Office National de l'Environnement (ONE)

Stefa

Nifampigidraka, na niafara tamin’ny korontana, ny fivorian’ny mpiasan’ny ONE, na ny Ofisim-Pirenena momba ny Tontolo Iainana, nataon’izy ireo ny zoma lasa teo.

Nandritra ny fifanakalozana samihafa (divers), tao aorianan’ny fahataperan’ny laha-dinika ny fivoriamben’ny Sosialin’ny ONE, no nisian’izay korontana izay. Rehefa nanambara ampahibemaso ny Ramatoa iray antsoina hoe: ANDRIANASOLO Mamialisoa, mbola nohamafisin’Andriamatoa RAKOTOSON Rija Herisolo, Tale jeneralin’ny ONE, fa Andriamatoa RANAIVOSOA Rija Mamitiana Olivier, délégué du personnel de l’ONE no nolazain’izy ireo, fa nitory an’Andriamatoa Tale jeneralin’ny ONE tany amin’ny BIANCO (Bureau Indépendant Anti COrruption) sy PAC (Pôle Anti-Corruption), mahakasika ilay raharaha fandraisana mpiasa izay nivoaka an-gazety ary nahabe resaka tao anivon’ny ONE. Tsy nisalasala rahateo koa izy ireo hoy ny fanambarana nanamafy, teo anoloan’ny mpiara-miasa nanatrika teo, fa ny Mpitsara nandray an-tanana ny famotorana (Juge d’instruction) tao amin’ny PAC mihitsy no niteny izany.

Manoloana izany tranga izany dia manao fanamarihana toy izao ity delegen’ny mpiasan’ny ONE voaendrikendrika ity:
– « Voalohan-teny dia, miala tsiny aminareo mpiara-miasa tanteraka noho ireny fisehoan-javatra ny zoma tolakandro teo ireny, satria amin’ny maha olombelona dia mety ho tohina ihany manoloana ny lainga nafafy izay niniana noforonina nataon’ireo olona voatanisa anarana etsy ambony ireo ny tenako ;
– Raisiko ho toy ny endrikendrina tsy misy porofo (accusation sans preuve), sy fanararaotam-pahefana (abus de pouvoir) ny nataon’izy ireo, satria dia mieritreritra izy ireo, fa afaka miteny izay tiany hotenenina na manao izay tiany atao, rehefa eto anivon’ity orinasam-panjakana ity, satria any amin’izy ireo ny fahefana na dia fantatr’izy ireo soa amantsara, fa voararan’ny lalàna velona tanteraka ny firesahana ampahibemaso raharaha mbola ao anaty fanadihadiana toy izao;
– Ho fampatsiahivana dia, tsy vao izao no nisy trangana fanararaotam-pahefana miharo tsy fanarahan-dalàna toy izany teto anivon’ity orinasa ity nandritra izay heritaona mahery naha Tale jeneraly an’Andriamatoa RAKOTOSON Rija Herisolo izay, raha tsy hiteny afa-tsy ny fikasan’itsy farany handroaka tompon’andraikitra iray amin’ny tsy misy antony (licenciement abusif), ka saika ho nanoloany tsy araka ny lalàna mifehy (RGP) ny toeran’ilay olona, ka omena an-dRamatoa ANDRIANASOLO Mamialisoa. Tsy tanteraka moa ny tetim-panoron’izy ireo, nohon’ny fijoroan’ny mpiasa rehetra nanohitra izany;
– Ny hetsika rehetra natao hatramin’izay entina iarovana ny orinasa sy ny mpiasa amin’ny tsy rariny sy tsy ara-dalàna dia niarahana tamin’ny mpiasa hatrany;
– Niniana natao ny tsy fanaovana tatitra tamin’ny mpiara-miasa momba ireo fanadihadiana ireo noho ny antony efa voalaza etsy ambony fa : voararan’ny lalàna velona ny firesahana ampahibemaso raharahampitsarana mbola ao anaty fanadihadiana ».

Raha fintinina dia niditra enquête na fanadihadian’ny PAC ny tale jeneralin’ny ONE sy ny voharohirohy ny alakamisy teo… Valiny: nahazo LP miandry « enquête au fond » no azon’ingahy tale jeneralin’ny ONE sy ny namany… Romotra avy any ny anao lahy dia namatrapatratra tany am-piasana ny zoma hariva, ka raikitra ny fifamaliana… Rehefa novakiana tamin’ingahy tale jeneraly ny convocation izay misy lalàna mandrara ny famoahana resaka anaty secret d’enquête sy instructions, lasa ingahy tale jeneraly nitsoaka toy ny tsy teo…