Olana samy hafa misy – Ny vola zaraina no tsy misy dia ny digitalisation no ampangaina

Ny Valosoa

Nampiedinedina an’Ingahy Rajoelina hatramin’ny taona 2020 ny filazany hoe: ampiharina ny “Digitalisation”, any amin’ireo fokontany manerana an’i Madagasikara, toy izany koa ny amin’ny fizarana ny vatsimpianaran’ny mpianatra.

Ny fe-potoana nolazain’Ingahy filoha hamitana ireo dia efa dila elabe, hatramin’izao anefa na ireo fokontany eto Antananarivo Renivohitra aza dia tsy mbola misy tokontaniny, satria na ny solosaina ampiasaina aza mbola any ankibon’ny omby.

Momba ny vatsimpianaran’ny mpianatra indray dia tsy misy ny vola mivoaka raha tsy misy fandorana kodiarana, sady izay indray maro amin’ireo mpianatra ara-dalàna no tsy any anatin’ny lisitra, dia mifanome tsiny sy mifanilika andraikitra ny Paositra sy ny Minisiteran’ny Fitantanambola ary ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony, maro tamin’ireo mpianatra tsy nahazo vola no nahavita niteny hoe: avereno amin’ilay fomba tsotra fahiny dia omeo ny volanay fa tsy mamely ilay “digitalisation”.

Fomba fiasa any amin’ny firenena rehetra ny “digitalisation”, manamora ny fitsinjarana sady misoroka ny kolikoly ihany koa, fa matoa tsy mahomby ny antsika malagasy dia antony roa ihany:
– tsy mahafehy ilay fitaovana ampiasaina ireo mpikirakira ny solosaina.
– tsy lavorary na tsy ampy ny isan’ny fitaovana ampiasaina.

Ireo antony roa ireo ihany no mahatonga ny tsy fahombiazana, fa ny heno mivoaka ny vavan’ireo tompon’andraikitra dia ny hoe mbola misy lesoka kely eo amin’ny fampiasana ilay “digitalisation”, kanefa ilay vola ho zaraina mihitsy no mbola ifampitadiavana, na koa tsy voaloan’ny tompon’andraikitra ara-dalàna ny karaman’ireo teknisiana mpikirakira ny solosaina.

Ny hetahetan’ny mpianatra dia tsotra, omeo ny vola efa voasoratra tao amin’ny lalàna mifehy ny tetibola, aloavy ny karaman’ireo teknisiana mpikirakira ny fitaovana ary tohizo ny fampiasana ny “digitalisation”, f’efa vava navoakan’Ingahy Rajoelina ny fampiasana an’io fomba maoderina io, satria ny vola tokony hisy raha mandeha tsara ny fitantanana.