Depiote Feno Ralambomanana – Nikarakara fiofanana momba ny fanamboarana savony

Isambilo

Noho ny fahalafosan’ny savony amin’izao fotoana izao, nikarakara fiofanana momba ny fanamboarana savony tetsy amin’ny foiben-toeran’ny antoko TIM tetsy Bel’Air tamin’ity herinandro ity, ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny antoko TIM tao amin’ny Boriboritany faha-3 Feno Ralambomanana.

Ireo olona liana tamin’izany fanamboarana savony izany tao amin’ny Boriboritany faha-3, no nandray anjara tamin’ity fiofanana ity, niisa 36 izy ireo no nandray anjara tamin’izany, ny mpampiofana dia Ramatoa teknisiana amin’izay fanaovana savony izay, ireo kojakoja sy fitaovana nampiasaina nandritra ny fianarana dia ny depiote Feno avokoa no niantoka izany.