Fambolena sy fiompiana – Potehan’ny fitondrana Rajoelina ny FIFAMANOR

Niaina

Mampalahelo amin’izao fotoana ny zava-misy any Antsirabe faritra Vakinankaratra, fa dia potehan’ny fitondrana Rajoelina ny tetikasa FIFAMANOR Antsirabe.

Araka ny vaovao azo avy any an-toerana, tena tsy iasan’ny Fanjakana sy ny ministera loha ity tetikasa eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ity, kanefa anisan’ny tena tokony ho fanoitra ho an’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana any amin’iny faritra iny. 5 volana izao tsy nandray karama ireo mpiasa ao amin’ity orinasa ity, ka tena sahirana tanteraka izy ireo, ireo izay mbola mijanona ao hatramin’izao, ka hanairany ny tompon’andraikitra. Tsy ny mpiasa ihany no mijaly, fa ireo tantsaha miara-miasa amin’ny FIFAMANOR koa.

Niforona tamin’ny taona 1972 ity tetikasa ity. Niova ho EPIC izy tamin’ny taona 1992, fa mbola teo foana ny Nôrveziana hatramin’ny krizy tamin’ny taona 2009. Nanomboka teo namelontena ny FIFAMANOR, fa misy subventions na fanampiana omen’ny fanjakana foana izay karama ihany no vitany. Taty aoriana nahenan’ny Fanjakana ny fanampiana, ka 8 volana sisa no vitany. Araka ny vaovao voaray, tamin’ny taona 2014 no nisy Agent Comptable voalohany tao amin’ity tetikasa ity. Teo no nanomboka ny olana, satria tsy mety ny fepetra nifanaraka taminy, nasarotina ny famoaham-bola. Tsy nivoaka ara-potoana ny vola ividianana sakafon’omby, zezika, fanafody, …. sy ny akora famokarana rehetra. Ny niafarany, matin’ny hanoanana ny omby, midina be ny vokatra ronono, kely ny vokatra masomboly hamidy. Fehiny, tsy mety ny fepetra miaraka amin’ny Agent Comptable. Tsy fantany, fa tsy maintsy mamoaka vola izay vao afaka mamokatra.

Na izany na tsy izany, manolotra vahaolana momba ity raharaha FIFAMANOR ity ireo mpiasa sy ny tantsaha any Vakinankaratra:
– hanaovana procedure special, na fepetra manokana, ho an’ny EPIC miaraka amin’ny zavamanan’aina, raha azo atao tsy asiana Agent Comptable.
– homena subventions spéciales hanarenana ny orinasa, anatiny ny karama. Efa tena latsaka anaty olana lehibe izy ireo amin’izao.
– mila mpitondra tena vonona hampandroso ny orinasa.
78 ireo mpiasa ao amin’ity tetikasa ity ankehitriny, ary ny 10 fotsiny ihany no fonctionnaires na mpiasam-panjakana. Manodidina ny 41 tapitrisa Ariary eo ny karama tsy voaloa isambolana io.

Tantsaha marobe aman’aliny no miara-miasa aminy any Vakinankaratra sy Amoron’i Mania, nefa noho izao olana ao amin’ny orinasa izao dia manana olana koa ireo tantsaha. Miasa amin’ny sehatry ny vilona, voly avotra, ovy, karaoty, sns… ny fiompiana ombivavy be ronono izy ireo.