Fiainan’antoko – Manetsika ny mpitarika eny ifotony ny DISTIM Amparafaravola

Stefa

Miaina sy velona ny antoko Tiako i Madagasikara any Amparafaravola faritra Alaotra Mangoro. Manetsika ny mpitarika eny ifotony koa amin’izao fotoana ny lohandohan’ny mpisorona ao amin’ity antoko ity any Ampitandrefana, ilazana ny any amin’iny distrikan’Amparafaravola iny. Nanao fameloma-maso ny antoko izy ireo, tao amin’ny kaominina ambonivohitra Amparafaravola tamin’ity herinandro ity, nitarika izany ny depiote RABEKIJANA Solofo Hery, izay sady filohan’ny DISTIM Amparafaravola, teo koa ireo assistant parlementaire. Nandritra izany no nananganana ny mpitarika COMTIM Amparafaravola sy ny Jeune TIM VAVY SY LAHY. Teny filamatr’izy ireo ihany koa ny hoe: TONGA MIARAKA NO FANOMBOHANA, MIASA MIARAKA NO FAHOMBIAZANA. Hitohy amin’ny kaominina hafa any an-toerana, izao hetsika fameloma-maso sy fanabeazamboho ny antoko TIM izao.