Pr Narison Stephan – Milentika ny firenena koa mifohaza Ra-Malagasy

Nangonin’Isambilo

Nifarana tamin’ity herinandro ity ny fandalovan’ny Pr Narison Stephan nandritra ny 2 volana, teto an-tanindrazana, izy dia mpampianatra mpikaroka eto Madagasikara sy any ivelany, manam-pahaizana manokana momba ny Fizikan’ny Angôvo Avo, Fizika Nokleary, na Physique des Hautes Energies. Filohan’ny fikambanana AGMM ihany koa, na ny fikambanana Association Gasy Miara-Mandroso izy. Nambarany fa : « natao ireo Conference momba ny Physique des Hautes Energies (HEP), niaraka tamin’ny Institut de Recherche HEPMAD-Universite Ankatso, sy ny Association Gasy Miara- Mandroso (AGMM) ary nozaraina maimaimpoana ho an’ireo Tanora sy Mpikaroka eny amin’ny Universite sy ny ARUPE – Eglise Catholique (Faravohitra) ny mahakasika ny sehatry ny fikarohana momba ny angôvo avo.

Noho ny hafohin’ny fotoana sy ny fahasahiranana dia tsy afaka nandeha tany amin’ny faritra, namaly ny fangatahanareo fa hezahina hatao amin’ny dia manaraka amin’ny Septembre izany. Nahafinaritra ny fandalovana 2 volana taty Madagasikara, satria hita maso ny halafon’ny fiainana (PPN, Gaz, lasantsy, Jirama, Telephone,…), ny fijalian’ny vahoaka madinika, ny Kolikoly sy ny Fanadiovan-tenan’ireo Cols Blancs (dahalo ambony latabatra,)… ny Insecurité :tsy fandriampahalemana (dahalo an-tanety, mpamaky trano, mpanendaka, mpagarom-posy,…), ny kitranoantrano sy lesoka maro eo amin’ny fitondrana ankehitriny,… Resahina eto amin’ny manaraka ihany ny fandrosoan’ny Fikarohana Siantifika, ny Politika eto Madagasikara sy ny Geo-Politique (Ukraine – Russie, Fifidianana Président Frantsay oharina amin’ny fifidianana eto Madagasikara…).

Mifohaza Ra-Malagasy indrindra ianareo Tanora, fa tena tsapa izao, fa milentika ny Firenentsika (faha-5 amin’ny gisitra amin’ny firenana mahantra ary taux de decroissance -7%), nefa tany manan-karena. Aza voarebireby intsony amin’ireo Werawera sy Tampi-maso misy amin’izao fotoana izao. Tsy nitondra ary tsy hitondra soa ho anao sy ny Firenana ireo zava-bita hatramin’izao. Ohatra ireo hopitaly manara-penitra tsy misy dokotera sy fitaovana, ireo Universite tsy misy mpampianatra, ireo building ho an’olona vitsy. Sokafy ny Maso ary Diniho tsara ny Fiainanao izay vao Miroboka Manohana izay Tianao ary tsy entin’ny Fanatisme Politika fotsiny, fa sao dia Manenina any aoriana any ohatr’izao tranga ankehitriny izao. Fandrosoana lovain-Jafy sy fiadanana no tadiavinantsika rehetra”, hoy izy. Ankoatra izany, nararaotra nikarakara ny tanànany nilaozany 2 taona sy tapany mahery eny Andranotapahina Ambohidratrimo tamin’ny confinement koa izy, sady nitondra ny anjara zanakazo fiarovana ny tontolo iainana.