9 Aprily – Taratasin’ny mpamaky

Fanehoan-kevitra ampitaina amin’ny gazety Ny Valosoa Vaovao izao manaraka izao :
azafady indrindra Tompoko.

Izaho ve no tsy mahay sa ny Gouverneur ny Faritra no Filoha faratampon’ny Foloalindahy?
Sa amin’izao Fitondrana izao dia hoe samy manao izay saim-patany tokoa?

Gaga ihany mantsy ny tena raha mahita fa ny Gouverneur-n’Androy dia manao fanamiana miaramila na tenue de combat foana isaky ny manatanteraka andraikitra.

Mahagaga anefa fa na ny gouverneur Lylison izay tena miaramila (appellation, fa gendarme de fonction) aza tsy manao toa io. Nefa ny olona, samborina sy enjehina izay manao.

Raha tsy miaramila ianao tompoko aoka mba ho môdely fa efa ampy ho voninahitra kosa ilay titre gouverneur. Raha tsy izany, midira any Ambositra sy Antsirabe!

Marlène R.
Mpamaky gazety Ny Valosoa