EDITO 9 Aprily – Tsy fahombiazan’ny mpitondra – Marary ny firenena noho ireo tranga samihafa miseho

Sôh’son

Ankehitriny dia mandroadroatra hafahafa izany ny toe-draharaham-pirenena, noho ny zava-misy etsy sy eroa isan’andro izao. Isehoan’ny trangan-javatra mafana amin’ny sehatra rehetra sy amina toerana samihafa. Misongadina amin’izany amin’izao faran’ny herinandro izao, izay efa nisy nanomboka tamin’ny fiandohan’ny herinandro, ary nisy aza efa talohan’izany, ny hetsika eny amin’ny toeram-pampianarana ambony, sy ny eo anivon’ny kaomina Antananarivo renivohitra.

Lasa eritreritra lalina mihitsy ny mpandinika sy mpanara-baovao maro, ny amin’ny fiverimberenan’ny hetsika fitokonana mitranga eny amin’ny Oniversite samihafa eto amin’ny firenena. Efa be loatra izay nitranga izay, ary miharihary, fa fomba fiasa tsy mahomby mihitsy ny fisamborana mpianatra sy ny fampiakarana fitsarana azy ireo, ary fampandoavana sazy. Iaraha-mahita tsara izao ny fitohizan’ny hetsika, izay mivoaka ny faritry ny fianarana, mba hanairana ny fiarahamonina sy indrindra ny tomponandraikitra misahana ny fampianarana ambony. Samy manana ny olany avokoa ireo mpisehatra telo lehibe eny amin’ny Oniversite, ary samy efa naneho izany, na mpianatra, na ny mpampianatra mpikaroka, na ny mpandraharaha ao aminy. Misy zavatra tsy milamina ary tsy voafehin’ny fitondrana mihitsy raha fehezina ny fijery ny raharaha. Tantara tsy misy fitsaharany noho ny antony tsy fahampian’ny traikefa izany. Hanao ahoana ny ho vokatr’izany na ankehitriny na any aoriana? Fampianarana tapatapaka lava, ny afaka fanadinana bakalorea misy taraiky amin’ny taom-pianarana, ary ireo efa mianatra aza mbola misy voadona amin’izany ihany koa.

Etsy ankilan’izany sehatra izany, miha-miakatra ny maripana amin’ny raharaha amin’ny fandehan’ny raharaha eo anivon’ny tanànan’Antananarivo renivohitra. Variana manao kajikajy politika sy fitadiavan-karena loatra sy ny miady amin’ny mpanolotsaina mpanohitra azy no nitaritarika ho tonga amin’izao toe-javamisy izao. Tsy mahazo aina ny mpitatitra, indrindra ny fiara karetsaka; toy izany koa ny mponina izay leon’ny fivangongon’ny fako etsy sy eroa, izay tsy afaka akory nefa nanaovana fampiesonana vahoaka, fa ho afany rehefa tonga eo amin’ny toeran’ny Ben’ny tanàna izy, izao maloto mahamenatra Antananarivo. Manginy fotsiny ny fidangan’ny vidim-piainana izay tsy voafehin’ny fitondrana velively ary lavitry ny afo ny kitay ny amin’ny hoe fampidinana azy. Raha tsorina, voafitaka ilay vahoaka.

Marary ny firenena na dia somary milamindamin-dratsy aza manoloana ireo trangan-javatra maro samihafa mifamahofaho, fa santionany ihany ireo nambara ireo. Avy amin’ny fomba fiasa sy politikan’izao fitondrana izao ihany, no rangory fototry ny afo rehetra amin’izany toe-javatra izany rehefa dinihina lalina. Tsy fiainana toy izao no nandrasan’ny vahoaka tamin’izao fitondrana Rajoelina izao.