Dia ho ritra koa ve ny solika ?

Ny Valosoa

Mihenjana ny tady eo anivon’ny Fanjakana sy ireo mpamatsy solika. Eo ny trosa (21 miliara ariary tamin’ny farany 2021) tsy voaloa ary eo koa ny tsy fifanarahana eo amin’ny vidin-tsolika. Ahiana ho ritra araka izany ny tahiry izay mahavita eo amin’ny 20 andro eo. Mbola tsy niainga ao Oman ny sambo mpitatitra, izay maharitra eo amin’ny 10 andro raha kely ny faharetan’ny dia. Fa hatreto aloha dia mbola miato ny famatsian-tsolika.

Maizina tontolo hatreto ny ampitson-dramalagasy. Raha ny fidangan’ny vidim-piainana, ny Fanjakana tsy mahaloa volam-bahoaka etsy sy eroa, ny gaboraraka, kolikoly, lainga, ramatahora, fanavakavahana asetrin’ireo mpitondra,… dia mbola ho ampian’ny tsy fisian-tsolika,… dia hipoaka ny sarombilany.

Rohy – https://www.rfi.fr/fr/afrique/20220409-madagascar-des-tensions-entre-l-etat-et-les-pétroliers-font-craindre-une-pénurie-de-carburant