Tanora TIM Atsimo Andrefana – Miomana amin’ny fiatrehana ireo fifidianana ho avy

Stefa

Miomana amin’ny fiatrehana ireo fifidianana ho avy ny Tanora Tiako i Madagasikara (TIM), any amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Mihetsika ireo mpitarika ny tanora TIM any Toliara sy ny manodidina, nisy ny fanomanana ho famelomamaso ny tanora TIM tany an-toerana, ahafahana miomana amin’ny fifidianana ho avy rehetra, tamin’ity herinandro ity.

Ny tanora dia anisan’ny rafitra iray ao anatin’ny antoko, manana ny maha-izy azy ary ho solofo handimby ireo mpanao politika ao amin’ity antoko ity atsy ho atsy. Efa ao anatin’ny politikan’ny filoha Marc Ravalomanana, filoha nasiônalin’ny antoko TIM rahateo, ny fanomanana ireo taninketsan’ny antoko atsy ho atsy, tsy diso anjara amin’izany ny any amin’ny faritra Atsimo Andrefana.