Dis-TIM Manjakandriana – Tsy diso anjara amin’ny fiarahabana ny filoha Ravalomanana

Niaina

Tsy diso anjara tamin’ny fiarahabana tratry ny taona ny filoha Marc Ravalomanana, filoha nasiônaly, sady filoha mpanorina ny antoko Tiko i Madagasikara (TIM), teny Faravohitra, ny Dis-TIM any amin’ny distrikan’i Manjakandriana faritra Analamanga. Afak’omaly izy ireo, no tonga niarahaba sy nirary soa ho an’i Dada noho ny Asaramanitry ny taona vaovao.

Voasolotena nandritra izany ireo kaominina mandrafitra ny distrikan’i Manjakandriana, na ny avy any amin’ny tapany avaratra : Vakinimananara, na ny avy amin’ny tapany atsimo : Vakiniadiana.

Nisongadina nandritra ny fihaonana ihany koa, fa vonona ho amin’ny fameloma-maso ny antoko ny Dis-TIM Manjakandriana ary manohy hatrany ny fanamafisana ny fototry ny antoko, any amin’ireo fokontany sy ireo kaominina mandrafitra ny distrika.