Maroantsetra Analanjirofo – Nanao fameloma-maso ny antoko TIM

Isambilo

Mihetsika amin’izao fotoana izao ny avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), any amin’ny distrikan’i Maroantsetra any amin’ny faritra Analanjirofo.

Tontosa afak’omaly 2022 ny redynamisation ny antoko TIM, na ny fameloma-maso sy ny fanabeazam-boho ny antoko natsangan’ny filoha Marc Ravalomanana tany amin’ny distrikan’i Maroantsetra. Anisan’ny nitarika ny fotoana tamin’izany, ny depiote telo aloha voafidy tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo Mananjara Fidison, na ny depiote Rasomotra, no fahafantaran’ny maro azy ihany koa. Ireo mpitarika ny antoko any an-toerana aloha no niatrika ny fotoana tamin’izany.

Nisongadina fa vonona ny mpitarika, vonona ihany koa ny mpikatroka amin’ny fikolokoloana sy fanomezana hery vao indray ny antoko TIM, vonona izy ireo ny amin’ny fiatrehana ireo fifidianana ho avy rehetra, indrindra ny fifidianana filohampirenena, hamerenana ny filoha Marc Ravalomanana indray eo amin’ny fitondrana.