NITENY IHANY NY VATO

(Sary Tia Tanindrazana)

Toy ny olona madio sy anjely no niseho tele,
Fa tena takona tanteraka irony loto marobe.
Tsy tongatonga ho azy akory ny fihetsika toy ireny,
Tera-kovitra ny “vato” ka najoro mba hiteny,

Tena toy ny olo-masina ilay niseho mba hojerena,
Fa nafenina tanteraka ilay mpibizina andramena.
Ny hany mba naderadera ho fanakonana ny vay
Dia “ilay mpanangana orinasa” tena kinga sy mahay,

Tsy hita firy notenenina izay mba asa soa nataony.
(Ny hangorona ho azy, izay no tena kilalaony,)
Ny hizara sy hanome dia tena zavatra tsy hainy.
Ny hitaona ho any am-pasana, izay no masaka ao an-tsainy,

…Tsy ilaina ny toy ireny mba ho hanadiovan-tena,
Fa ianao mpanefoefo, ‘ndeha vonjeo ny firenena.
Gasy maro no mahantra k’aza tia mamonkin-tanana.
Ny mizara ho azy ireo, izay no ataovy ho fiadanana.

Raha tanterakao izany dia mba hisy fifohazana.
Tsy ho “rambony” intsony i Gasikara tanindrazana.
Tsy hosokajiana intsony ho isan’ny mahantra indrindra,
Fa mba hanam-pivoarana sy fiainana mirindra,

DADAN’i ZINA (06-04-22)