MPITONDRA MAMPIHOMEHY

(Sary Tia Tanindrazana)

Madiva ho rendrika ve izany sambo,
Fa toa tsy milamina iretsy mpandeha?
Efa mandindondindona angaha irony antambo,
No toa very saina ireo mpirehareha?

Efa hatramin-dry “Vato” no lasa niteny
Sy nanakarama ireo haino aman-jery.
Porofo mivaingana ny toy ireny
Fa efa mihonaka be irony fery!

Na vary na menaka, tsy taka-bidy.
Tsy vitsy ireo olona no tonga saina,
Fa nidiran-doza sy diso safidy
Amin’ireto mpitondra tsy misy antenaina!

Lazainy fa hidina,hono, ato ho ato
Ny vidin’ny entana tena fitady,
Ka asa raha hiandry hotorahana vato,
Na hiandry ny hetsik’ireo “mafy ady”!

…Rehefa jerena, tsy misy voafehy,
Fa ny zavatra ataony efa toa mampandositra.
Izay ilay mpitondra efa mampihomehy,
Fa varia-mampanaraka indray ny efa vositra!

IRINA HO TAFITA (06-04-22)