MISOLO FOANA NY AO AN-DAPA ?

(Sary Tia Tanindrazana)

Fa ahoana ireto sipa maro an-dapa ry boaikely,
No nalana tao ho ao sa tena misy tsy mamely?
Angaha tsy efa nofantenana sy efa tena nosivanina,
Sa tsy anaty mason-tsivana ny hoe “mahay sy matihanina”?

Traikefa, diplaoma sy izay lalana efa vita,
Tsisy dikany ary ve no sady toa odian-tsy hita,
Fa rehefa manjamanja sy rehefa hoe manaiky,
Dia ajoro sy fantenana mba ho mpiara-miasa akaiky?

Aza gaga ry boaikely raha mitombo hatrany ny olana,
Ary koa ireto ekipa, hiova endrika isam-bolana.
Ny antony dia tsotra ihany, tsisy andrasana aminao
Sy iretsy sipa manjamanja saingy tsisy kalitao!

…Ekipa tena mifanohana, manana firaisan-tsaina,
Manana ny traikefa, izany izao no tena ilaina,
Fa tsy ekipa nofantenana tamim-pomba tsy mazava,
Ka ny bika no jerena na ny hamailaky ny vava .

Ekena fa ny miralenta izao no tena omena lanja,
Nefa aoka tsy ho sodokan’ireo vehivavy manja.
Olo-marina no ilaina, lahy sy vavy, samy ekena,
Raha vonona hampandroso sy hampivoatra firenena.

Tena ilaina ny fahaizana, ary koa ny fahendrena.
Ireo izay manana an’izany no arosoy mba hojerena.
Hendry sady manan-tsaina nefa tia fahamarinana,
Izay no ataovy hifantenana sy taranja hanadinana!

DADAN’i RIANA (07-04-22)