HERISETRA HATRANY HATRANY ?

Herisetra hatrany hatrany, izany foana no ampiasaina,
Manoloana ireto gasy marobe izay mitaraina?
Izany indray no nampiantsoana ho isan’ny mpanolotsaina,
Ity ilay raikalahy taloha malaza ho mpandatsaka aina?

Raha ny lasany, tsy tsara, ho an’ireo izay nahatsiaro.
(Na ny anarany aza anie dia efa i Baomba, hoy ny maro.)
Ka dia efa azo sainina fa hampiasa hery indray,
‘Nareo mpitondra tapi-dalana sy malaza ho tsy mahay!

Herisetra hatrany hatrany, izay no hany vahaolana
Manoloana ireo karama tsy voaloa efa amam-bolana.
Izany ve no mba mpitondra mendrika ny ho modely?
Mbà misaina kely aloha fa tsy izy izao ry Boaikely!

Herisetra hatrany hatrany fa tsy misy fahavononana
Mba hiresaka amin’ny mpiasa izay manao ny fitokonana?
Efa lany ve ny vola ry midehaka eny ambony,
Ka ny mpiasa no rarana tsy hisitraka ny zony?

Herisetra hatrany hatrany, ilay fiadian’ny olona osa,
Izany sisa arangaranganao mpitondra bokan-trosa?
Mihevera, mandiniha re ry mpitondra lany vatsy,
Tsy hitohy ny dianao fa tena hifarana atsy ho atsy.

Ampirimo irony baomba izay mpandatsa-dranomaso.
Vahaolana no ilaina, aoka izay ny andrasoandraso.
Izao no saino sy tsarovy, tsy anareo akory ny aina,
Ary ianareo rehetra: tena mbola hotsaraina!

Tsy hipetrapetra-poana ireo vahoaka izay nofaizina,
Ary tsy hoekeny intsony ny indroa hahita maizina.
Baomba sy ny basinao angamba manana ny hambarany,
Saingy ny vahoaka hatrany no ho tompon-teny farany!

TSIMIMALO (08-04-22)