Filoha Ravalomanana – Vonona hanarina ny firenena latsaka anaty fahantrana lalina

Isambilo

Tonga niarahaba ny Filoha Marc Ravalomanana noho ny taona vaovao, no sady nandray ny toromarika avy aminy ny solontenan’ny antoko Tiako i Madakasikara (TIM), avy any amin’ny faritra Bongolava afak’omaly. Nankasitraka ny Filoha Ravalomanana izy ireo nandritra izany, nisongadina tamin’ny lahateny nifanaovana, fa mbola vonona hatrany hanarina ny firenena izay tena latsaka ao anaty fahantrana lalina sy an-katerena i Dada.

Ny avy amin’ny TIM Bongolava kosa dia nanamafy fa vonona hatrany koa amin’ny fanabeazam-boho sy ny fameloma-maso ny antoko, sy ny fanamafisana ny fototry ny antoko any ifotony. Niatrika ny fotoana tamin’izany ny mpitarika ity antoko ity, avy amin’ireo distrika 2 mandrafitra ny faritra Bongolava dia ny distrikan’i Tsiroanomandidy, sy ny distrikan’i Fenoarivobe. Mametraka fanantenana amin’ny filoha Ravalomanana izy ireo, fa tsy hitoka-monina intsony ny ankamaroan’ireo kaominina any Bongolava, rehefa ho tafaverina soa amantsara indray, eo amin’ny fitondrana atsy ho atsy ny filoha mpanorina ny antoko.

Antoko anisan’ny lehibe indrindra eto amin’ny firenena ny antoko TIM hatramin’izao, koa manantena izy ireo fa ho tratra izany tanjona izany.