Fanondranana antsokosoko andramena – Tantara mitohy ny an’i Fanirisoa sy Ravatomanga

Ny Valosoa

Tantara mitohy ny an’i Fanirisoa Ernaivo sy ny mpandraharaha Mamy Ravatomanga, mahakasika ny resaka fanondranana antsokosoko andramena avy eto Madagasikara. Manamafy i Fanirisoa fa nanondrana antsokosoko andramena tokoa I Mamy Ravatomanga tamin’ny alalan’ny orinasany. Aoka tsy hamafazana lainga ny Malagasy hoy ity mpitsara filohan’ny SMM teo aloha ity. Milaza izy fa fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana iraisam-pirenena no miara-miasa aminy akaiky momba ity raharaha ity. Nambarany fa hita ao amin’ny rohy: https://cdn.globalwitness.org/…/mada_report_261010.pdf ny mahakasika ity fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena ity. Hoy indrindra i Fanirisoa:”aleo ary hivoaka amin’izay itony karazana investigation itony, ary miomana isika fa tsy journaliste Lagazette na Viva mitavozavoza, fa ONG Amerikana sy Anglisy no miara-miasa aminay izao. Sao hoe hosamborina dia hotapenam-bava, koa asaina mifona sy manao rétractation ohatran’ny fanaonareo. Aoka izay ilay famafazana lainga, fa leo sady reraka ny vahoaka nampandohalianareo teo hatramin’izao”, hoy izy.

Maminiaina Ravatomanga

Manana ny ambarany koa ny mpandraharaha Mamy Ravatomanga momba ity raharaha ity:”miantso antsika rehetra ho tony. Nilaza aho, fa tsy voakasik’izany resaka fanondranana hazo sarobidy izany, ary hamafisiko ny teniko. Misy milaza fa manana porofo amin’izany, kanefa taratasy hosoka izany. Maro ny porofo manambara fa hosoka io taratasy arantirantin’olona fatra-mpanenjika io, raha tsy hilaza fotsiny fa eo amin’io taratasy io dia misoratra fa : Port of receipt (seranana ahatongavan’ny entana) = TAMATAVE. Port of loading (seranana andefasana ny entana) = YANGZOU. Io taratasy lazaina fa “porofo” io izany dia milaza fa miainga avy any Chine ilay entana, ka tonga ao Toamasina. Ataoko eto ihany koa ireo antontan-taratasy ofisialy manaporofo, fa ilménite io entana io, fa tsy hazo sarobidy velively. Ny marina marina hatrany, koa aoka isika tsy ho voafandriky ny mpanakorontana”, hoy izy.

Mahakasika ity raharaha ity: hitsikitsika tsy mandihindihy foana fa ao raha, ary matoa i Mamy Ravatomanga niakatra televiziôna 3 be izao ny herinandro lasa teo, efa tena mamay ny raharaha, ka ho hitantsika eo ihany izay hiafarany.