Nidonan-tsetroka koa ny tetsy Ampefiloha – Nitaky ny vatsim-pianarany 5 volana tsy voaloa ny ENS

Niaina

Nitaky ny vatsim-pianarany 5 volana tsy voaloa ihany koa ny mpianatry ny ENS (Ecole Normale Superieure) etsy Ampefiloha omaly, izany dia miaraka amin’ny fampitaovana na equipement, izay tokony ho azon’ny mpianatra isan-taona. Nidonan-tsetroka ihany koa ny tetsy Ampefiloha omaly, satria nandoro kodiarana ireo mpianatra naneho ny tsy fahafaliany noho ny tsy fandoavan’ny tompon’andraikitra ny zon’izy ireo.

Arak’izany, taorian’ny hetsika fitakiana nataon’ny mpianatra teny Ankatso afak’omaly dia nanao hetsika fitakiana ny handoavana ny vatsim-pianarana nandritry ny 5 volana izay mbola tsy voaloa ihany koa ireo mpianatry ny ENS Ampefiloha. Tonga teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana nandamina izany, satria nanapaka ny lalana teny an-toerana ny hetsik’ireo mpianatra. Miseho lany ihany hatramin’izao, fa fitondrana tsy mahaloa volan’olona ity fitondrana Rajoelina ity.