TIM Morondava – Vonona hatrany amin’ny fameloma-maso ny antoko

Helisoa

Vory lanona tao amin’ny Espace Mangazakà ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), tao amin’ny distrikan’i Marondava faritra Menabe ny alahady lasa teo, nandritra ny fifampiarahabàna tratry ny taona, nokarakarain’ny mpitarika tao an-toerana notarihan’i Rivojaona Raherimihaja.

Vory lanona tao avokoa ireo rantsana mandrafitra ny antoko toy ny vehivavy TIM , tanora TIM ary ireo mpikatroka eny ifotony toy ny FOKTIM sy ny COMTIM ary ny DISTIM, nandritra ny fifampiarahabana natao. Lanonana tsotra no natao nefa nanana ny naha izy azy, hoy Rivojaona Rahemirimihaja, fa ny tanjona dia ny hamondronana hatrany ireo mpikatroka, fa tsy azo avela hatoritory, indrindra fa amin’izao fahasahiranana mahazo ny vahoaka Malagasy izao. Misy hatrany hoy izy ny fitaomana ny namana, fa fotoana izao ahafahana miray hina sy mamondrona ny hery, mba hahazoana fanjakàna amin’ny taona 2023.

Mitaky asa anefa izany, ka dieny izao Morondava dia efa manomana ny paikady rehetra izay atao amin’izany. Taorian’ny teny sy kabary maro samihafa dia nisy ny fizaràna ny nofonkena mitam-pihavanana tamin’izany.