Kmf /Cnoe – Tokony ho alohan’ny fifidianana filohampirenena ny kaominaly

Franck Razakambelo

Nanao fanambarana ny fikambanana Kmf/Cnoe: Komity Mpanara-maso ny Fifidianana, fa tokony halefa mialoha ny fifidianana Kaominaly, izay vao miroso amin’ny fifidianana filoham-pirenena, satria fifidianana akaikin’ny vahoaka ity fifidianana ity, no sady manamora ny “Exercice Citoyen”, mba hahafahan’ny olom-pirenena mandray anjara amin’ny fifidianana filoham-pirenena, izay tsy maintsy ho avy.

Nilaza Andriamatoa Robert, filoha nasionalin’ny Kmf/Cnoe, fa tokony hotanterahina ihany koa ny fanavaozana amin’ny ankapobeny sy tanteraka ny lisi-pifidianana, ka ny Governemanta irery ihany no manan-jo hanao an’izany, mba hisian’ny lisi-pifidianana vaovao miainga avy amin’ny fanisana natao tamin’ny olom-pirenena. Nanohy fanazavana ity filoha nasionalin’ny Kmf/Cnoe ity, fa tsy andraikitrin’ny Ceni no manatanteraka fanavaozana ny lisi-pifidianana fa anjara asan’ny Governemanta irery ihany ary efa nanolotra tolo-kevitra tamin’ny mpanatanteraka ny Ceni mikasika an’ity fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana ity, ka tokony hirosoana amin’izay.

Nanamafy ny Kmf/Cnoe, fa hifanesy ny fifidianana manomboka amin’ny taona ho avy, ao anatin’izany ny fifidianana Ben’ny tanàna, ny fifidianana mpanolotsain’ny tanàna, ny fifidianana filoham-pirenena; ny fifidianana Solombavambahoaka ary tokony horaisin’ny fitondram-panjakana ny soso-kevitra omen’ny Kmf/Cnoe, mba hisian’ny fandraisan’anjaran’ny rehetra amin’ny fifidianana, izay antoka amin’ny fitoniana amin’ny firenena.