Kaominina Imito – Fandriana Nizara fitaovana samy hafa ho an’ireo fokontany miisa 22

Isambilo

Andro niavaka ho an’ny Vahoaka any Imito, distrikan’i Fandriana faritra Amoron’i Mania ny zoma 1 aprily 2022 lasa teo. Notanterahina tamin’io Taombavao Malagasy io sady andro tsena ao an-toerana rahateo, ny fizaran’ny Kaominina fitaovana, ho fampitaovana ireo Fokontany miisa 22 mandrafitra ity Kaominina iray, ao anatin’ny Distrikan’i Fandriana, Faritra Amoron’i Mania ity.

Simenitra amin’ny kitapo, hazo « madrier », hazo fanaovana valindrihana, fanitso, «panneau solaire », takamoa, penina, penisily hazo, taratasy, seza, latabatra, loko, vola … no nozaraina. « Vola madidion’ny Kaominina no nenti-nanana ireo fampitaovao ireo, ho famaliana ny fangatahan’ny Fokontany araka ny filan’izy ireo tsirairay avy », hoy Razafimanantsoa Andriatsiravana Jean Marie, Ben’ny tanàna sady mpahay toekarena.

Fanambin’ity farany ny hitondra fomba fanao vaovao amin’ny politika. Izy izay nanipika mazava, fa « azo atao ny mampandroso miainga amin’izay eo ampelan-tanana ». Mavitrika amin’ny fandoavan-ketra ny mponin’Imito ary efa nahazon’ity Kaominina ity loka izany. Mendrika hisitraka tamberin’andraikitra ny mponina ho setrin’izany, hoy hatrany ny Ben’ny tanàna. Porofon’izany izao fampitaovana hitondra fampandrosoana eny ifotony, miainga amin’ny Fokontany izao. Izany dia natao teo anatrehan’ny Vahoaka notarihin’ireo Sefo Fokontany rehetra.

Kaominina voafidy hanombohana ny tetikasa « Asa Avotra Mirindra » i Imito ao anatin’ny Distrikan’i Fandriana. Tia mampiana-janaka ny mponina ao ary isan’ny mitana ny laharana voalohany hatrany amin’ny taham-pahafahana bakalôrea ao amin’ny Faritanin’i Fianarantsoa. Niverina ny famatsiana rano ao Imito raha tapaka an-taonany maromaro, mirehitra jiro ny tanàna ankehitriny. Hanana «gare routière » manarapenitra ihany koa Imito, izay ezaky ny Kaominina madiodio, hanalana fahasahiranana ireo mpandeha. Efa vita ny trano, fa fanadiovana no sisa. Mitana ny teto Fahizay, miavaka amin’ny firaisankina ihany koa ny Vahoakan’Imito. Maro ny asa vita tao anatin’izany, ary iantsoan’ny Ben’ny tanàna ireo zanaka ampielezana hifanome tanana ho fampandrosoana ity Kaominina Imito ity.