Manakara sy Vohipeno faritra Fitovinany – Fianakaviana traboina 500 nampian’ny fikambanana VVSD

Isambilo

Nanolotra fanomezana ho an’ny traboina, noho ny rivodoza farany nandalo teto amintsika ireny, tany Manakara sy tany Vohipeno faritra Fitovinany ny fikambanana mpanao asa soa any ampitandranomasina, ny fikambanana VVSD na Vehivavy Vonona Sahy Diaspora. Taorian’ny nisian’ny loza voajanahary izay nampitondra faisana ny vahoaka Malagasy, satria marobe ireo traboina manerana ny Nosy vokatr’izany. Tsy nitazam-potsiny ny fikambanana VVSD, fa nisy ny tolotanana nataony ho an’ireo traboina teto Antananarivo Renivohitra niisa 600. Tsy Antananarivo irery anefa no Madagasikara hoy izy ireo, ka nosafidian’ity fikambanana VVSD ity ny mponina traboina tany amin’ny faritra Fitovinany tao Manakara sy Vohipeno, ka traboina miisa 500 tafo no nisitraka ny fanampiana avy aminy.

Ny tany Manakara, ireo traboina miisa 200 tafo tany amin’ny fokontany Maroalakely, no notolorana fanampiana ny sabotsy teo. Ny tany Vohipeno, ireo fianakaviana traboina miisa 300 no notolorana fanampiana tamin’izany ny alahady teo. Vary milanja 3 kg miampy labozia sy briquette, no natolotra tamin’izany. Faly ireo mponina tao Manakara satria dia tsy mba nisitraka fanampiana tamin’ny mpitondra fanjakàna nefa dia nianjadian’ny loza tamin’iny rivodoza Basirai iny. Koa nankasitraka ny fikambanana VVSD izy ireo, ary nanome toky izy ireo fa ao ambadiky ny fikambanana, ny fikambanana VVSD izay fikambanana mpanao asa soa fa tsy manao politika.

Ny tao Vohipeno ihany koa, faly ireo olobe Ampanjaka tao antoerana, tao amin’ny Tranoben’ny taranak’Andriamahazonoro raha nandray ny fanomezana natolotry ny VVSD, satria ireo ray amandreny ireo no nosafidiana manokana ihany koa nandray ny fanampiana niaraka tamin’ireo mponina traboina any an-toerana. Tsy kely ireo hoy ireto farany fa tena zavadehibe aminay. Ny irariana hoy izy ireo dia ny hitsinjovana azy ireo hatrany, satria tena mahatsiaro fangirifiriana tokoa izy ireo ankehitriny, potiky ny rivodoza avokoa ny vokatra any an-toerana amin’izao fotoana, na ny vary, na ny voankazo isan-karazany, sns…