Mamy Ravatomanga – Ampangain’i Fanirisoa fa manondrana andramena ny orinasany

Stefa

Mampiseho porofo ao amin’ny tambazotran-tserasera sôsialiny ny mpitsara Fanirisoa Ernaivo, izay monina any ivelany amin’izao fotoana, fa manondrana andramena antsokosoko mankany ivelany ny orinasan’ny mpandraharaha ara-toekarena Mamy Ravatomanga. Araka ny fanambarana nataon’i Fanirisoa: Valiny nolazain-dRavatomanga: “tsia tsy manao izany aho, tsy hypothequer-ny orinasany amin’ny traffic-na bois de rose”, hoy izy.

Ny tena marina hoy i Fanirisoa, tena nanao ary tena nanondrana bois de rose na andramena izy, ka ny SODIATRANS no manao azy, ny antsoina hoe Société MAINLAND, no associée aminy amin’izany hoy ity mpitsara Malagasy efa filohan’ny SMM teo aloha ity. Ny SODIATRANS, no mitatitra ny entana sy mandefa azy any CHINE, mandalo any SINGAPOUR. Manao fausse déclaration izy ireo miaraka amin’ny Transitaire SCAC-SDV araka ny vaovao navoakany ihany. Lazaina fa Lot d’Ilmenites no alefa kanefa dia bois de rose no anaty conteneurs hoy Fanirisoa. Hita hoy izy fa ny declaration ny SODIATRANS dia hoe Ilmenites avec les mêmes numeros de conteneurs sy numeros de scellés, fa rehefa ao anaty CERTIFICAT D’ORIGINE voalaza mazava tsara fa 1252 PIECES OF MADAGASCAR ROSEWOODS, no anatin’ireo conteneurs no-declarer-na hoe Ilmenites ireo. Voalaza tsara ao, fa 202 Tonnes 855 kg de rosewoods ilay izy ary même destination, même expediteurs. Hita ao koa fa même numero de scellé ny conteneur, izay manomboka MOL940091, ka hatramin’ny MOL9400100. Izany hoe 10 conteneurs. Hita koa ao anaty certificat phytosanitaires N°1418/12/52TM/RP/MG du18 avril 2012, fa MADAGASCAR ROSEWOODS, bois de rose désinfecté par fumigation no ao anaty conteneurs.

Nanao fausse déclaration ny SODIATRANS hoy Fanirisoa Ernaivo ary mody lazaina fa Ilmenites, kanefa bois de rose no alefa. Ny SODIATRANS an’i Mamy Ravatomanga dia ao anatin’ny GROUPE SODIAT.