Fidangan’ny vidim-piainana – Mety tsy ho zakan’ny vahoaka intsony

Sôh’son

Manitsaka ny faha-efabolana amin’ity taona ity isika ankehitriny. Miha-mafy ny fidangan’ny vidim-piainana vokatry ny fiakaram-bidin’ireo entana rehetra fanjifan’ny vahoaka andavanandro. Tsy misy izay tsy misondrotra hatramin’ny madinika indrindra, izay mazava loatra fa tsy fantatr’ireo tomponandraiki-panjakana ambony rehetra, satria tsy iainany izany. Izy ireo ny ankamaroany dia mamonjy ireo tsenam-barotra lehibe rehefa hiantsena ary any izy ireo no manangona ny entana samihafa ilainy mandritry ny andro maro. Ny sarambabem-bahoaka, ny hanina isan’andro aza tadiavina isan’andro, ary izay hahavelona sisa no atao. Ireny vatomamy kely ireny, dia efa ariary zato izao ny iray, ary manomboka tsy miasa intsony ny 50 Ariary. Ho aiza ny hitondrana ity vahoaka malagasy ity, ary hanao ahoana no hiafaràny raha izao no mitohy? Hatraiza ihany koa no hahatantesan’ny vahoaka izany? Tany amin’ny firenen-kafa, ny mofo dipaina fotsiny no niaka-bidy, dia efa nidina an-dalambe ny vahoaka tao aminy. Toy izany koa ny vidina gaz. Mahatanty zava-mafy ity vahoaka malagasy ity hatreto, ary izay ve no araraotin’ny mpitondra fanjakana? Nefa na izany aza, amin’ny farany mety tsy ho zakan’ny vahoaka intsony izao vidin-javatra midangana avokoa izao.

Tsy misy afitsoka ny fitondrana manoloana ny fahoriam-bahoaka amin’ny fidangan’ny vidim-piainana mafy ankehitriny. Tsy mazava izay fepetra raisiny hamahana ny olana, ary na misy vahaolana arosony aza, toy ny langilangy zozoro ihany tsy mahavita n’inona n’inona akory. Nohamarininy tokoa izao ny teniny amin’ny hoe, ahita ny mbola tsy fahita hatrizay tao anatin’ireo fitondrana nifanesy ny vahoaka, ary zava-baovao no entiny. Dia iaraha-mahita ny vidin-javatra midangana rehetra izao, izay tsy fahita hatrizay, ny zava-nitranga teo anivon’ny rafi-pitondrana izay nahamenatra sy nanala-baraka ny firenena ary nampihemotra mihitsy azy aza, sns…

Lasa fiainana mandeha ho azy eo amin’ny sarambabem-bahoaka sisa ny mivarobarotra fananana. Ny vilanin’ny atsy voatery amidiny, fa tsy misy intsony ny vola ividianan-kanina, dia vidin’ny eroa izay mbola hivarotra indray rehefa avy eo hovidin’ny hafa. Dia mifamezivezy eo sisa ny fitaovana ilaina an-dakozia na ao an-trano ahafahana mivelona. Tsy vao izao izany, fa nanomboka tamin’ny nisian’ny krizy ara-pahasalamana no tena niha-nitombo. Noho ny tsy fananana fahaiza-mitariky ny fitondrana Rajoelina, no rangory fototry ny fahoriam-bahoaka ankehitriny. Nanampy izany ny fanaovan’ny fitondrana kajikajy politika hatrany isaky ny manao zavatra na asa na hetsika tao anatin’izay telo taona izay. Dia izao no vokany, ny vahoaka malagasy no mibaby izany rehetra izany. Midika ho zary nampahantraina ilay vahoaka, ary ny mpitondra azy, izay nomeny fahefana ihany no karazany mamono ilay vahoaka Malagasy tsy mandady harona ankehitriny.