Ben’ny tanàna Rakotoson Martin Pierre – Hahazo « tracteur » hiasa ny taniny ireo tantsaha

Rakotoson Martin Pierre, ben’ny tanànan’i Mahabo, distrikan’Ambohidratrimo,

Rajo

Nisongadina nandritry ny tenin’ny ben’ny tanànan’i Mahabo distrikan’Ambohidratrimo, Rakotoson Martin Pierre, fa averina ny valintànana ifotony toy ny teo aloha.

Olana mantsy raha ny nambarany ny saraka antsaha dimy arivo ariary, izay tsy zakan’ny fahefa-mividin’ireo mpanarama intsony. Manginy fotsiny ny fahavoazan’ny mpikarama satria ny karama tsy mahavelona, nefa ny asan’ny tena tsy misy vita. Mampitombo ny fahasahiranana indray io hoy ny ben’ny tanàna, ka mety hampitombo ny mpangalatra indray.

Tapa-kevitra ny ben’ny tanànan’i Mahabo, fa hiasa maimaimpoana ny tanin’ireo tantsaha ary ho tonga amin’ny volana Jona ho avy izao ny « tracteur » hiasa ny tany. Mitambatambatra ireo vondrona tantsaha hoy izy ary isan-kerinandro dia mitohy isaky ny fokontany ny asa mandritry ny fotoam-pahavaratra.

Tanjon’ny ben’ny tanàna ny hamerina ny soatoavina teo aloha ary tokony haverina ankehitriny satria sahirana ny vahoaka. Ho jerena ihany koa ny masomboly sy zezika raha ny nambarany, ka hisy ny fihaonany amin’ny minisiteran’ny fambolena momba azy io. Nanamafy hatrany ny ben’ny tanànan’i Mahabo, Rakotoson Martin Pierre, fa tanjona ny fitohizan’ny fampandrosoana ifotony ary atao laharampahamehana ny tantsaha eny ambanivohitra.