Mbola Rajaonah – Nafindra any Imerintsiatosika, ahiana ny ainy

Helisoa

Nafindra any amin’ny fonjaben’Imerintsiatosika faritr’Itasy afak’omaly, ny mpandraharaha Mbola Rajaonah, izay notazonina teny amin’ny fonjan’i Tsiafahy teo aloha. Ahiana tanteraka ny momba azy noho izany, indrindra ny fahasalamany, hoy ny vadiny, sy ny mpisolovava azy Eric Rafidison.

Nitafa tamin’ny mpanao gazety ny mpisolovavany sy ny vadiny teny amin’ny PAC 67 ha omaly, nanao FANAIRANA hatrany momba ny toe-pahasalaman’I Mbola Rajaonah. Nilaza ny mpisolo vava azy, Eric Rafidison, fa: mbola tsy nivaly hatramin’izao ilay fangatahana natao, mba ho jeren’ny médecin spécialiste ny fahasalaman’i Mbola Rajaonah. Nolazaina azy ireo, fa mbola hanaovana contre expertise, ireo valin’ny analyse nataon’ny mpitsabo tamin’izany. Nafindra any amin’ny Prison de haute sécurité Imeritsiatosika i Mbola Rajaonah, kanefa tsy tokony handefasana olona MBOLA TSY VOATSARA any Imeritsiatosika, satria toerana natokana ho an’ny olona voatsara ho nanao heloka be vava sy mampidi-doza (criminels et dangereux).

Nangataka ny tao amin’ny PAC ny mpisolovava, mba haverina any amin’ny toerana nitsaboina azy tany Tsiafahy i Mbola Rajaonah. Tsy afaka mahandro sakafo hohaniny ireo olona tazonina any, fa tsy maintsy izay sakafo omena nefa izy efa saika voapoizina tamin’ny sakafo “risqué d’empoisonnement”. MATAHOTRA NY AMIN’NY AINY ny mpisolo vava azy. Mangataka mba hajaina ny droit civil, zo ho tsaraina, zo ho tsaboina. Ilay antony nandefasana azy any dia hoe any izy voatsabo tsara, nefa TSY MISY dokotera any, fa mbola ratsy lavitra noho ny tany Tsiafahy ny fepetra famonjana any Imerintsiatosika.