Fikambanana AKD – Mahavonjy ny rehetra ary manome asa ny tanora ny taxi-moto

Franck Razakambelo

Manentana ny mpanolotsain’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, mba hanohana sy hampandany an’ilay tolo-dalàna ho fanarahan-dalàna, ny fitaterana “Taxi moto” eto an-drenivohitra, na ny AKD (Association Kodiaran-Droa).

Nilaza Andriamatoa Ramamonjisoa Fulgence filohan’ny Akd, fa hiezaka hiady amin’ny fisian’ny gaboraraka amin’ny rafitra kodiaran-droa ny fikambanana manomboka izao ary vonona hanatanteraka an’ireo fitsipika apetraky ny fiadidian’ny tanànan’Antananarivo, eo amin’ny resaka fitaterana olon-droa. Nanohy fanazavana ny filohan’ny AKD, fa hiara-hiasa amin’ny Kaominina sy ny Polisim-pirenena, amin’ny fanisana ny kodiaran-droa ny fikambanana ary hamolavola “Badge” misy “Code barre” ho an’ny mpitatitra, mba hisorohana an’ireo mpitatitra mpanendaka sy mpangalatra “moto”. Nanamafy Andriamatoa Ramamonjisoa Fulgence, fa mahavonjy olona ny fitaterana kodiaran-droa, manoloana ny fisian’ny faharatsian’ny lalana sy ny fitohanan’ny fiara ary sehatra iray, mba hahafahana manome asa ny tanora ity fitaterana ity, koa manentana ny mpisehatra rehetra hiditra amin’ny fikambanana.

Efa nanomboka ny alarobia teo ny fivoriana nataon’ny mpanolotsain’ny tanànan’Antananarivo ary manantena ny fanohanan’ireto farany ny fitaterana kodiaran-droa ny mpitatitra “Taxi moto”, mba hisian’ny fanarahan-dalàna amin’ity sehatra ity.