Antananarivo Renivohitra – Maloto i Vazahabe na nanadio tena aza

Helisoa

Mafanafana ny ao amin’ny kaominina Antananarivo ankehitriny, manoloana ny fitantana tsy mazava ataon’ny ben’ny Tanàna Vazahabe: Naina Andriatsitohaina. Ny alatsinainy teo, nandritra ny fananganan-tsaina fanaon’ny mpiasan’ny kaominina, sy ny mpitantana ny Tanàna nanoloana ny Hotel de Ville Analakely dia naneho ny tsy fahafaliany ireo mpiasa, ka nangataka ny fialàn’ny ben’ny Tanàna. Efa mahatsiaro mijaly ireo mpiasa satria ataon’ny ben’ny Tanàna toy ny mitondra orinasam-pianakaviana ny fitantanana ny mpiasa. Eo ihany koa ny famarotana ny zavatra tokony hataon’ny mpiasa, fanaovana antsojay maro samy hafa moa tsy tenenina intsony.

Manaraka izany, nivory tamin’ity herinandro ity ireo mpanolotsaina ny Tanàna, ka ny lohalevitra niompanan’izany dia mikasika ny vola be 11 miliara ariary nindramina tany amin’ny CNAPS; nisy ny fangataham-panazavàna nataon’ireo mpanolotsaina mikasika izany. Nandritra ny fifanazavàna teo amin’ny roa tonta dia nanazava ny mpanolotsaina Clemence Raharinirina, fa mazava be hoy izy ny nambaran’ny mpiasan’ny CNAPS, fa ny CUA no nindrana ny vola 11 miliara ariary tao amin’io orinasa mitsinjo ny be antitra io. Milaza anefa ny Ben’ny Tanàna Naina Andriantsitohaina, fa ny SMGD no nindrana ny vola, fa tsy ny CUA. Ny marina anefa, ny SMGD araka ny nambaran’ny mpanolotsaina dia 100% an’ny CUA tanteraka.

Tao anatin’ny fandraisam-pitenenany dia niaiky ny ben’ny Tanàna Vazahabe Naina Andriatsitohaina, fa rahalahiny ilay RABESAHALA mambra ao amin’ny filankevi-pitantanana miaraka aminy ao amin’ny SMGD sy ilay RAZAFINDRALAMBO iray AMIN’IREO CA ihany koa, dia tsy iza fa Talen’ny kabinetra ao amin’ny CUA ihany. Nodiany fanina kosa hoy Clemance Raharinirina ny fanontanian’ny mpanolotsaina hoe: omeo anay ny anaran’ireo mpametra-bola: actionnaires nefa teo anatrehan’ny mpanao gazety no nanontaniana azy izany. Koa mipetraka ny fanontaniana, inona no afenina?

Araka ny nambaran’ny ben’ny Tanàna moa dia nahazo alalana hindrambola tamin’ny mpanolotsaina ny tenany. Manoloana izany hoy ny mpanolotsaina Clemence Raharinirina, rehefa napetrako ny fanontaniana hoe atsangano ary ny Tanan’ny mpanolotsaina manamarina, fa noresahana teto amin’ny FILANKEVITRA ilay trosa dia tsy nisy nanangana izy ireo. Mafana araka ny nambara tery ambony ny ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Mampidikizo ny kaominina ity orinasan’ny ben’ny Tanàna SMDG ity, ka mitaky ny hanafoanana io ny mpiasan’ny CUA.

Nitafa tamin’ny fahilavitra vitsivitsy ihany koa ny ben’ny tanàna Vazahabe tamin’ity herinandro ity, nanadio tena sy nanilika ny hadisoany tamin’ny teo aloha. Mipetraka ny fanontaniana, nahoana izy no izao vao milaza izany raha nisy izany, ary nisy ihany koa ny fifamindra-pahefana taminy sy ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana, koa tsy mitombina ny fanilihan’andraikitra amin’ny teo aloha nataon’i Vazahabe. Fehiny, maloto i Vazahabe na nanadio tena aza: mbola tsy voadiony ny tanàna, maloto ny fomba fitantanany ny Kaominina.