EDITO 2 Aprily – Taom-baovao malagasy – Rahoviana vao ho andro tsy fiasana ?

Ny Valosoa

Omaly no nanamarihana ny taom-baovao malagasy. Nisy ireo hetsika samihafa tamin’ny toerana samihafa nentina nankalaza izany. Efa misy isan-taona io fankalazana io, ary tsy hita ho miova ny zava-misy. Tsy eo amin’ny karazana hetsika nomanina sy ny mpikarakara loatra no tiana horesahina, fa eo amin’ny tsikaritra amin’ny fihetsiky ny fitondram-panjakana. Toa tsy hita manao fanentanana ho amin’izany tao anatin’izao 3 taona mahery naha teo amin’ny toerana azy ireo. Tsy hita izay fiaraha-mientany akaiky amin’ny mpikarakara, sa misy antony manokana?

Ny manahirana ny saina ny mieritreritra azy, dia ity fitondrana ankehitriny ity, miseho ho tia tanindrazana ary vao nilaza aza, fa hampita ny fanilon’ny fitiavan-tanindrazana? Dia ahoana moa izany? Ny taom-baovao malagasy, dia mariky ny firaisankina ao anaty fanajana ny soatoavina maha malagasy sy maha izy azy ny firenena. Efa nisy hatrany amin’ny faha-mpanjaka izany, fa noezahin’ny mpanjanatany frantsay nokosehina, ka nametrahany ny fomba amam-panao frantsay. Niezaka namerina izany ireo mpandala ny maha malagasy, ary soa fa mbola nisy ireo mpitarika ireo ankehitriny manao izay hameloma-maso ny fomba malagasy toy izao. Mazava loatra fa mifandraika tanteraka amin’ny fitiavan-tanindrazana izany ary tsy tokony hatao ambanin-javatra velively. Hatraiza anefa ny fanomezan-danja ataon’ny fitondrana ankehitriny izao taom-baovao izao. Rahoviana no ho andro tsy fiasana? Hilaza miara-mahita raha hanambara izany, fa efa niverina isan-taona ny zava-misy, ary mandra-pahoviana no ho toy izao?

Handeha ila toy ny kiraron’i Beminahy ny fanentanana amin’ny fitiavan-tanindrazana raha mbola toy ny hita isan-taona. Soa fa efa mba miha-mitombo, na dia mbola kely ihany aza izany, ireo malagasy izay misy hatramin’ny tanora, miha-mahafantatra izany taom-baovao Malagasy, sy miresaka kely izany, noho ny ezak’ireo mpikarakara sy mpandala ny soatoavina malagasy. Ireo no anisan’ny andry iray lehibe ho aroriaka tsy hahavery ny firenena sy ny taranaka any aoriana.