Ny Valosoa
Nanomboka tamin’ny fahampanjaka dia nisy hatrany ireo mpamadika sy mpamahandalitra ny vahoaka. Matoa nandresy antsika malagasy ny frantsay dia nisy ireo mpiray firenena tamintsika nisolelaka tamimbazaha namoaka ny tsiambaratelo tao andRova, ary matoa koa tsy maintsy nilavo lefona ireo Mena-lamba dia teratany malagasy ihany no nitatitra ny fomba fiadin’izy ireo tany amin’ny mpanja-naka.
Rava ihany koa ny Vy Vato Sakelika na VVS satria nisy ireo mpiray firenena amintsika nandadilady nitatibolana tany amin’ny mpitondra frantsay ka nahatonga ny fampidirana amponja ireo mpitarika ny VVS.
Mikasika ny Raharaha 1947 dia mazava ho azy fa maro dia maro ireo mpamadika ny tolona, ny tantara rahateo dia misafotofoto, tsy fantatra intsony ny hoe Iza no namadika an’iza. Fa dia mifampiampanga ny rehetra, ny azo amehezana azy dia resy isika, satria nahomby ny tetikadin’ny mpanjanaka ary niasa mafy ireo mpamadika.
Hatramin’ny taona 2009 dia nisy hatrany ireo mpamadika, anisan’izany ireo sasantsasany teo akaikin’ny Filoha Ravalomanana, izay voaporofo ny nataony tamin’ny fihaonana notanterahina teny amin’ny Le Hintsy Ambohimanambola, tsy tamin’iny ihany fa nandritran’ny fotoana tsy nahateto an-toerana ny Filoha Ravalomanana dia maro ireo tanalahy niova loko.
Fa ny tena zava-doza dia ny afitsokin’ny fitondrana ankehitriny izay tsy tahotra tsy henatra fa dia mamadika ny tantara tsotr’ izao amin’ny alalan’ny filazana, fa mbola misy 750 hono ireo nitolona tamin’ny 1947, izay famitahambahoaka ankitsirano fotsiny izany. Alaivo sary antsaina fa efa 75 taona lasa ny 1947, ka ny olona nitolona tamin’izany raha mbola misy velona dia 95 taona, raha toa ka 20 taona izy dia efa mpitolona, amintsika malagasy anefa ny fahelavelona na “Esperance de vie” dia manodidina ny eo amin’ ny 80 na 85 taona eo eo raha be indrindra, azo isaina amin’ny rantsantanana ny mahatratra 90 taona mahery, fa na misy aza izany dia ankavitsiana sisa no mivoaka ny trano, fa dia efa mandreoka ampatana na efa tatazambava eo ampandriana, ny mahatsikaiky dia mbola misy ireo lazaina fa mpitolona fahiny mbola tonga mamonjy ny fanateramboninkazo, mbola afaka miresaka amin’ny mpanao gazety, ny fahitana an’ireny lazaina fa mpitolona ireny dia tokony ho 80 taona na 85 taona, izany hoe 5 taona na 10 taona izany dia efa mpitolona, misy mihitsy aza raha ny fahitana ireo sasantsasany,dia teraka taorian’ny taona 1947.
Ny dikan’izany dia maro ireo mpisandoka, tsy dia omentsiny anefa ireo mpisoloky ireo satria kitapo latsaka ve tsy ho raisiny, fa matoa afaka manao izany fomba mamohehitra izany izy ireo dia manome vahana azy ireo ny fitondrana, izay mikaroka hatrany ny fomba ahazoana misehoseho ho manampy ny tia tanindrazana, kanefa ny fomba petatoko sy hevitra taingina toy izany dia vao mainkamamparefo ny firenena. Noho izany dia antsoina ny “PAC” sy ny “BIANCO”, hanao fanadihadiana ny tena taonan’ireo milaza fa mpitolona, satria sady famadihana ny tantara no fandaniana tsy amin’ny antony ny volam-bahoaka, ary indrindra tokony ho saziana enjana ireo tompon’andraikitra nampanao ny hevi-dravina, inoana fa tsy ho sarotra ny manao ny fanadihadiana raha misy ny finiavana ahalala ny tena marina, ny azo antoka aloha dia azo isaina amin’ny rantsantanana sisa ireo mpitolona no mbola velona na mety efa lasa daholo.
Tena ilaina ny fanadiha-diana satria mampalahelo isika malagasy, fa dia toa mahazo vahana hatrany ireo mpamadika ireo tena tia tanindrazana sy ireo mpanova ny tantara, ireny sokajin’olona ireny dia tokony ho faizina mafy eto amin’ny firenena.