Baolina kitra malagasy – Misavorovoro tanteraka ny fitantanana azy

Rainilita

Tamin’ny andron’ny alakamisy 31 martsa 2022 dia fitantanana roa miavaka tsara, no fan-tatra fa miandraikitra ny Federation Malagasy de Football, satria ny mpitantana ilany nosoloin’ny filoha lefitra voalohany ao amin’ity rafitra ity, sy ny SG ao aminy dia nantsoin’ny Fifa nanatrika ny “72ème Congrès de la FIFA” any Doha Qatar ary ny mpitantana iray hafa kosa, notarihan’ny filoha lefitra fahatelo ao amin’izany FMF izany sy ireo kômity mpanantanteraka miaraka aminy ary ireo filohan’ny ligim-paritry ny baolina kitra miisa 21 dia nanatanteraka fivoriambe (AG) tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina tamin’io andro io ihany koa ary nanendry SG vaovao ho ao amin’ity FMF ity. Dia ho hita eo izay hambaran’ny FIFA marina mikasika an’izany resaka rehetra izany.