Riananala, taranaka Panama sy MDRM – Nilaza ireo zavatra mbola tsy voatantara momba ny 29 martsa 1947

Ny Valosoa

I Riananala, taranaka Panama sy RMDM, no vahinin’i Rina Rabemananjara tamin’ny fandaharana Miara-Manonja manokana, natokana ho fahatsiarovana ny zava-nitranga tamin’ny fotoan’ny tolom-panafahana tamin’ny 29 martsa 1947. Tranga tsy mbola voatantara no isan’ny nozarainy, entina mieritreritra izao vanimpotoana sarotra diavin’ny firenena izao.

Naharitra ora roa ny fandaharana tamin’izany. Nambarany fa mankalaza ny faha-120 taonan’ny Akademia Malagasy isika izao. I Gallieni no tomponkevitra tamin’ny nananganana an’io Akademia io. Ny olo-mahay Malagasy rehetra no nangoniny tao dia mody hoe ho fampandrosoana an’i Madagasikara. Ny hafetseny anefa dia nitrandrahany ny tena maha-izy antsika tao. Dia mbola nitohy ihany izany hafetsena izany. Fantany tamin’izany fa adalam-bola sy voninahitra ny sasantsasany. Ny nahatonga ny tafika frantsay tafiditra teto Antananarivo dia nisy Malagasy nitarika noho ny vola sy voninahitra. Fa raha tena nivondrona dia tsy tafiditra izy ireo, satria efa 1500 sisa ireo miaramila no tonga teto fa be no ripaky ny tazo.

Dia navoakany amin’izay ny vazaha taratasy nentin’i Gallieni hanomanana ny ho avy. Namotika antsika tamin’ny lafiny rehetra izy. Tany Indochine dia nametraka ny tetika “politique de races” ny tenany ary naparitany taty amin’ny zanatany frantsay afrika izany, ametrahana ny zarazarao hanjakana. Satria rehefa miady an-trano ianao dia tsy misy mpiambina intsony ny tanananao dia tonga izy maka, ary mbola mandaitra izany amin’izao fotoana izao, 125 taona aty aoriana. Misy Gallieni gasy.

Anisan’ny fahadisoan’ny fitondrana tamin’ny Repoblika faharoa, ny nampiditra politika sy fitantanana ny raharaham-panjakana, tao amin’ny tafika. Nifandraika tamin’i Gallieni mihitsy fa sady fitondrana no tafika. Hatramin’izao dia mbola mandaitra ao amin’ny tafika sy ny polisy ny politikan’i Gallieni zarazarao hanjakana. Tsy mety izany hoy i Riananala. Nanohy izy: “ialao ny akanjo napetrak’i Gallieni, fiakanjoana malagasy tsara amin’ny maha-miaramila sy maha-mpitandro filaminana anareo anaovana. Mipetraha ho isan’ny tandroka ho aron’ny vozona, fa tsy sanatria tandroka manapaka vozona”.

Mila fanabeazana sy fikolokoloina ny fitiavan-tanindrazana, ary nandray ny andraikiny i Riananala tamin’ity fandaharana ity. Tsy lova io fa arahan’asa, hoy izy.

(Rohin’ny fandaharana Miara-manonja manokana)
https://fb.watch/c5fANxjuQs/
https://youtu.be/zzNGp6EmRYU