ERITRERITRA 29 MARTSA

Nidongy indray ‘nareo mpitondra ka tsy hita sy tsy tazana,
Tamin’ny fiombonam-bavaka mba ho an’ny tanindrazana?
Sa dia nisy “teny midina” ka izay no niombonana,
Ary indro nampiesonina ny fiombonan’ny fiangonana?

Moa tsy mahazaka kiana f’efa tsy avotra intsony,
Ianareo mpanatanteraka izay mitoetra ery ambony,
Ka hatramin’ny toriteny no efa tena atahorana
Sao hamelively fatratra ny tariky ny fozaorana?

Nidongy indray fa dia nahoana, saika ‘nareo manontolo.
(Tena vitsy ireo nipoitra fa nanepoka daholo?)
Izay no tena nanehoana ny amin’ny maha « iray vatsy »?
Sao hivadika izy ity ka ho fiombonana amin’ny ratsy!

Ianareo mihitsy ve no efa kamo sy malazo,
Sa ny olon’ny fiangonana no efa tena tsy azoazo?
Izay no tena mampalaina sy efa tsy dia mampavitrika,
Ka raha izy ireo no miantso dia mazàna no misitrika?

Andron’ny karemy izao ka dia meteza handini-tena.
Aoka izay ny fisarahana fa manimba firenena.
Tena mila anao mpitondra mihevi-tena ho maranitra,
Mba hiverina hivavaka, hitodika amin’Andriamanitra!

Fa vao mainka koa ho rambony sy tsy handroso i Gasikara,
Raha hatramin’ny fiangonana no anaovan-toetra maramara.
Sarobidy izany atao hoe fandalàna fihavanana,
K’aoka tsy hifampikitrana fa meteza hanolo-tanana.

Tena mila anao mpitondra ho modely sy ho fianarana,
Ka hanao izay hampiatoana ny ady sy fifandafarana.
Eny, asaina ianao mpitondra sy ireo vahoaka entina,
Ho amin’ny tena fihavanana, madio tsy misy pentimpentina!

IRINA HO TAFITA (30-03-22)