Fiainam-pirenena mikororosy – Sioka tokana dia ho tonga sy hijoro ny Vehivavy TIM Analamanga

Isambilo

Tontosa ny sabotsy teo tetsy Bel’Air, misy ny foiben-toeran’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), ny fifampiarahabana tratry ny taona ho an’ny Vehivavy TIM Analamanga. Vory lanona tao ny solontenan’ireo vehivavy TIM avy amin’ireo distrika mandrafitra ny faritra Analamanga dia ny avy amin’ireo Boriboritany miisa 6 eto Antananarivo Renivohitra, ny avy any Avaradrano sy Atsimondrano, ny avy any Ambohidratrimo, Andramasina, Manjakandriana, Anjozorobe ary Ankazobe.

Nahatratra 900 latsaka teo ireo vehivavy niatrika izany fotoana izany, satria nozaraina tapakila na ticket ny solontenan’ireo vehivavy isak’ireo distrika amin’ny faritra Analamanga ireo, ka nahafahana nanisa azy ireo. Fotoam-pivavahana no nanombohan’ny fotoana ny sabotsy teo io. Nanakoako avy eo ny Hiran’ny Fandresena. Tamin’ny lahateny nataony, no nanambaran’ny filohan’ny Vehivavy TIM Analamanga Arphine Rahelisoa, fa taonan’ny fijoroana ity taona 2022 ity araka ny toromarika avy amin’ny filoha nasiônaly Marc Ravalomanana. Tena sahirana sy mahantra ny ankamaroan’ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana, ary ny vehivavy no tena mahita izay fahasahiranana lalina amin’ny fiainana andavanandro izay. Amin’izay fiainana mikororosy fahana eto amin’ny firenena izay hoy i Arphine, hijoro ny vehivavy TIM, ka sioka tokana dia ho tonga sy hijoro isika amin’ny fotoana rehetra, sy amin’izay rehetra mety hilana antsika.

Fizarana ny nofon-kena mitam-pihavanana, no namaranana ny fotoana, amin’ny maha mbola fankalazana ny Asaramanitry ny taona vaovao io fotoana ny faran’ny herinandro teo io.