NANKAIZA NY BEN’NY TANANA ?

Nankaiza nankaiza ny ben’ny tanàna,
Fa toa marobe ny fampanantenana,
Kanefa tsy nisy tanteraka ireny
Fa lasa nanidina foana ho teny.

Ny fako sy loto efa tena mampihoaka,
Ary hivadika ho poizina hamono vahoaka.
Kanefa tsy taitra Ingahy ben’ny tanàna,
Fa fakana vola no mbola mafana!

Tsiahivina etoana ilay teny mavandy
Nataony tanaty propagandy,
Ka sahiny hatramin’ny nihirahira
Hoe atero an-tokonako ny zaoridira!

Mpivarotra, enjehina isa-maraina.
Tsy misy vahaolana mba antenaina,
Fa ny akamakama sy ireo be vola
No mahazo toerana eken’ny sola!

Ny lalana moa dia tsy hita holazaina,
Fa be lavadavaka mampitaraina.
Kanefa tsy misy izay mba fanarenana,
Fa ny eo ihany no tampintampenana!

Nankaiza nankaiza ny ben’ny tanàna
Fa toa izy indray no mandika lalàna?
Tsy hita ho fianarana na ho modely
Fa lasitra iray amin’i Boaikely!

Nankaiza nankaiza ny ben’ny tanàna?
Tsy mazavazava ilay hoe fitrosana,
Fa resaka tena misafotofoto
Natao hanodinana vola maloto!

Nankaiza nankaiza ny ben’ny tanàna?
Ny mety aminao dia mametra-pialana.
Aza andrasana hipoaka ny sarom-bilany.
“Avereno ny vola, mialà avy hatrany! “

DADAN’i RIANA (30-03-22)