HO AN’ILAY IRAY ANDRASANA, HO MPANAO MAZIKA

Roland Ranjatoelina - Ministry ny fitaterana sy famantarana ny toetrandro (16 martsa 2022)

Misy teny mba nahafinaritra,
Nolazain’ilay iray izay voatendry.
Tena tsapa ary tena tsikaritra,
Fa dia tenin’ny olona hendry.

Misongadina ny ela nihetezana
Fa ananany ny traikefa.
Tsy tahaka ilay iray nihomehezana,
Kilasiana ho “voata” sy “zefa”!

Saingy ho afa-mivelatra ve
‘Ty ilay olona iray notendrena,
Sa hogiazan’ireo “mafy be”
Amin’ny halatra sy ny hafetsena?

Tena vitany ve ny hanafoana
Ny asa ratsin’ireo jiolahy?
Amin’ny fomba tahaka ny ahoana,
Moa hijoro izy ka dia ho sahy?

Moa raha tena mba mihetsika ve
Sy mba miezaka ny hanatsara,
Dia ho raikitra ny “tambabe”
Sy ny fingan-dry “tsivalahara”?

Efa ireo manodidina mantsy
No efa miaina amin’ny fahalovana,
Ka inoana fa dia ho voafantsy
‘Zay miseho mba hanao fanadiovana!

Asa izay fiovana ato ho ato
Amin’ny sehatry ny fitaterana.
Mahereza ka dia aza miato,
(Ireo “akama” aza ananam-pitserana!)

‘Ndeha ny marina no ifikiro
Ry nandrasana ho “mpanao majika”,
Dia meteza hijoro ho jiro,
Miandry izany anie ‘ty nosintsika!

TSIMIMALO (30-03-22)