Fanamarihana ny 29 Martsa tany Moramanga – Nafana ny fandraisana an-dRavalo, tsy hita Rajoelina

Niaina

Ny faran’ny herinandro teo, no efa nanomboka ny fanamarihana ny faha-75 taonan’ny tolom-panafahana tamin’ny 29 Martsa 1947, tany Moramanga faritra Alaotra Mangoro. Tany an-toerana ny filoha Marc Ravalomanana, filohan’ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demôkrasia eto Madagasikara: RMDM, sady filoha nasiônalin’ny antoko TIM ny faran’ny herinandro teo. Nafana ny fandraisan’i Moramanga ny filoha Ravalomanana nandritra izany. Tsy hita sy tsy sahy nandeha tany kosa ny filoha Andry Rajoelina. Anisan’ny heverina fa antony tsy nandehanany tany dia satria tsy mbola vita ilay lazaina, fa kianja manara-penitra ao Moramanga hatramin’izao. Sanatriavina, lasa fanaovan’ny olona sy ny biby maloto fotsiny aza izany ankehitriny.

Fa ankoatra izany, amin’ny maha-ray amandreny azy eto amin’ny firenena dia tonga nanotrona ny fanokafana ny fahatsiarovana ny 29 Martsa 1947, tetsy amin’ny Katedraly Fjkm Analakely, izay notarihan’ny FFKM koa ny filoha Ravalomanana ny alahady 27 martsa 2022 teo.

Tsiahivina fa nandritra ny fandalovany tany Moramanga ny sabotsy teo, no nanamafisan’ny Filoha Ravalomanana, ny tokony hijoroana toy ny nijoroan’ireo Malagasy tia tanindrazana, niady ho an’ny fahaleovantena. Sahy nijoro izy ireo ary teto Moramanga no anisan’ny tena niseho izany fahasahiana lehibe izany hoy i Dada. Ohatra lehibe ho antsika sy ny taranaka mifandimby no nasehon’izy ireo tamin’izany. Tsy maintsy hasehontsika ny firaisankina. Tsy maintsy hasehontsika amin’ny vahoaka, fa mbola misy ny fanantenana eo amin’ny fanavotana ny firenena, nataontsika ho taonan’ny fijoroana rahateo hoy ihany izy ity taona 2022 ity.