Fanamarihana ny 29 martsa 1947 – Ny misy antsika 75 taona aty aoriana

Andry Tsiavalona

Tsy misy azo ferana ny vava avoakan’ny olompirenena tsirairay ary ny mpitondra amin’izao fotoana izao dia miteny izay tiany ho tenenina, handemena saina na hanapempoana ny mpiray Tanindrazana. Ny « Asa Vita » anefa, hono, no hifampitsarana hoy ny teny filamatry ny antoko politika iray eto Madagasikara izay. Rehefa mandeha ny fitsarana dia tsy maintsy misy didy mivoaka hanamelohana na hanalefahana na hanadiovana tanteraka ny nanao ny “asa”.

Raha hitodihana ny lasa dia nanameloka ny mpanjanaka nanongana ny Mpanjaka Ranavalona III, ka nihetsika ireo tena tia tanindrazana nanohitra izany. Tsy afaka nanao na inona na inona anefa satria tsy nitovy ny hery. Nandritra ny fanjanahana kosa anefa raha ny asa vitan’ny mpanjanaka no hifampitsarana dia azo lazaina fa nampandroso an’i Madagasikara ny mpanjanaka. Marina fa nanao asa an-terivozona ny Malagasy tamin’ny nanaovana ny lalamby sy ny làlana nampifandray ny faritra samy hafa, kanefa nolovain’ny mpitondra taorian’ny namerenan’ny mpanjanaka ny fahaleovantena izy ireny. Nahavita fotodrafitrasa maro, toy ny làlana, trano fonenana (cités) maro, tsy teto an-drenivohitra ihany, fa hatrany amin’ireo faritany hafa. Tsy izany ihany fa tena nisy fiantraikany tena nahomby tokoa ilay “politikan’ny kibo” nampiharina tamin’ny Repoblika I, ary nanana fahefa-mividy ambony dia ambony ny vahoaka.

Raha ireo asa vita tamin’izany no jerena dia, angamba, tsy tokony ho voaongana ny fitondrana tamin’izany, saingy ny fiandrianam-pirenena sy ny hasin’ny Tanindrazana no voahosihosy, ka nampihetsika ny hambompon’ny tanora teny amin’ny anjerimanontolo. Tsy nisy koa ny fahalalahana naneho hevitra, ka isan’andro vaky dia nandalo “censure” ny gazety, ka tsy vitsy ireo mpanao gazety naiditra am-ponja noho ny lahatsoratra navoakany. Saika nanarina ny tsy nety tamin’ny Repoblika I ny fitondrana miaramila (Directoire Militaire) nitantana ny firenena, 1972-1975, ka nifantoka tamin’ny famerenana ny fitantanana ifotony tamin’ny alàlan’ny Fokonolona ny ezaka, tsy azo tsinontsinoavina izany satria famerenana ny soatoavina Malagasy, ka tsy nety tamin’ny “fanjanahana amin’ny endriny vaovao” ka nofongorin’ny mpanjanaka indray.

Nahavita “asa” ny Repoblika II teo amin’ny sehatry ny fanabezana satria nitsangana tamin’izany ireo Oniversite any amin’ny renivohi-paritany dimy, ankoatry ny eto an-drenivohitra. Niezaka nampiditra ny Firenena tao amin’ireo fikambanana iraisam-pirenena toy ny “firenena tsy momba ny atsy tsy momba ny aroa” (pays non alignés), kanefa tsy niteraka vokatsoa ho an’ny Firenena izany satria tsy nampiharin-doha ny toekarena, ka nilaharana isan’andro ny kojakoja ilain’ny mponina andavanandro, vary, menaka, sns, …

Variana tamin’ny fitetezana faritra nijery ny zava-nisy niainan’ny vahoaka Malagasy loatra ny filohan’ny Repoblika III-1, ka tsy nitondra fivoarana teo amin’ny sehatra rehetra izany, ka raha ny asa vita no hifampitsarana dia tsy nisy nisongadina ka izany no antony iray nitarika ny fanesorana azy teo amin’ny toerany.

Betsaka ny asa vita nandritra ny fitondrana Ravalomanana Marc, teo ny làlana manodidina ny iray alina kilometatra sy ny fananganana trano sekoly sy CSB ary tranom-pokontany tany ambanivohitra tany, ka hita ny sasany amin’izy ireny eny amoron’ny làlam-pirenena faha-7 ohatra. Ezaka lehibe tamin’izany ny namerenana ny hasin’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Tsy nanana olana ny vahoaka teo amin’ny fahefa-mividy ary niakatra fito faingo roa isan-jato ny harin-karena Raha ireo asa ireo no jerena tamin’ny Repoblika III-3 dia fanamelohana noho ny famadihana tanindrazana no didy mendrika ny mpanongam-panjakana.

Amin’izao fotoan’ny Repoblika IV-2 izao dia ny fampanantenana no betsaka ary raha ny asa vita no hifampitsarana dia azo lazaina fa iray isan-jaton’ny “velirano 13”nataon-dRajoelina Andry, no vitany tao anatin’ny telo taona sy roa volana nitondrany. Ankoatr’izany dia latsaka ao anaty lavaka lalin’ny fahantrana ny vahoaka Malagasy, mivoaka amin’ny kiloadoaka ny harem-pirenena, ka mitotongana tsy misy toy izany ny harinkarena. Maro ny nampidirin’izao fitondrana izao any am-ponja noho ny antony politika, fa tsy noho ny famadihana tanindrazana. Mahafoy ny ainy noho ny fitiavany Tanindrazana, hono, izy araka ny kabariny tany Manakara tamin’ny fahatsiarovana ny 29 Martsa 1947. Raha ny zava-misy iainan’ny Firenena sy ny vahoaka Malagasy anefa no jerena, fanamelohana noho ny tsy fahaiza-mitantana sy tsy fahafehezana ny andraikitra sahaniny no hanongotra an-dRajoelina Andry eo amin’ny fitondrana. Tsy modely na fanilo mendrika hampitaina amin’ny taranaka ny fanehoan’izao fitondrana izao ny fitiavan-tanindrazana, satria tsy ho hitan’izao tontolo izao intsony izay handaharana an’i Madagasikara raha ny fahantrana no resahina.