Fitantanana tsy mazava sy tsy mahomby – Nataon’i Clemence nihinan’ny anganony i Vazahabe

Ny Valosoa

Vahiny tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray ny mpanolotsainan’ny tanànan’Antananarivo, avy amin’ny IRD, Clemence Raharinirina afak’omaly alina. Tonga amin’ny fitenin-jatovo hoe:”nataon’i Clemence nihinan’ny anganony ny ben’ny tanàna Vazahabe: Naina Andriantsitohaina”, nandritra izany fandaharana izany.

Nanome fe-potoana roa herinandro ny ben’ny tanànan’Antananarivo (CUA) i Clemence tamin’io fotoana io hametra-pialana, fa raha tsy izany dia izy mpanolotsainan’ny tanàna no hitarika ny vahoakan’Antananarivo hidina an-dalambe hanala ny ben’ny tanàna, raha toa ka tsy hametra-pialana sy hanolo ny volan’ny CNAPS ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina. Raha tsy hanao “dechéance” ny ben’ny tanàna ireo mpanolotsaina monisipaly eo anivon’ny CUA, izay efa tratran’ny ramatahora ihany koa. Raha toa ka tsy sahy hangataka ny fialan’ny ben’ny tanàna ny mpiasan’ny kaomina Antananarivo renivohitra. Raha tsy hanala azy koa ny Filohampirenena Rajoelina, ka hametraka Pds hisolo azy.

Novakiany bantsilana fa ny Kaominina no nindrana vola tany amin’ny CNAPS, fa tsy ny SMGD araka ny nolazain’ny ben’ny tanàna. Ny SMGD dia efa taty aorianan’ilay findramana vola vao tafatsangana. Novakiany bantsilana ihany koa, fa mpikambana ao amin’ny CA, na filankevi-pitantanan’io SMGD io ingahy Ben’ny tanàna.

Raha izao fitantanana tsy mazava sy kolikoly ary fanamparam-pahefana misy ao amin’ny CUA izao, mety hiala ao Analakely ny ben’ny tanàna Vazahabe Naina Andriantsitohaina ary hiandry azy ny eny Antanimora.