Erikerika Madagasikara any Frantsa – Nanolo-tanana traboina 110 tany Ranomafana Ifanadiana

Aly

Nanolo-tanana, namaly ny antson’ireo traboina tany Ranomafana distrikan’Ifanadiana faritra Vatovavy, tamin’ny fandalovan’ny rivodoza roa nifanesy ny fikambanana Erikerika Madagasikara any Frantsa.

Tonga taty an-toerana ny mpikambana iray, Ramatoa Noro Ramanoarison Rafidison, nanolotra ireo fanampiana, ka olona 110 no nisitraka izany, nahitana: marefo, kilemaina, olona sahirana, tao amin’ny Fokontany telo, dia tao Ambatolahy, Andafiatsimo ary Tapaniavaratra.

Ny fanampiana nozaraina dia vary, savony, labozia sy briquet. Nisy olona tsara sitrapo avy any Frantsa koa nanolotra kitapo, mba hanoloana ny sachet plastika ho fiarovana ny tontolo iainana.

Marihina fa olona tsy mba nahazo fanampiana tamin’ny fanjakana ireo olona ireo. Eto dia maneho fisaorana ireo namana tany Ranomafana ny fikambanana Erikerika Madagasikara any Frantsa, tamin’ny fanatontosana izao hetsika izao.