TIM Morondava teny Faravohitra – Hanavotra ny firenena ny traikefan’ny filoha Ravalomanana

Isambilo

Tonga nitsidika sy nifampiarahaba noho ny Asaramanitry ny taom-baovao tamin’ny Filoha Marc Ravalomanana, filoha nasiônalin’ny antoko TIM omaly tolakandro, ireo mpitarika an’ity antoko ity avy any Morondava, faritra Menabe, notarihan’ny filohany Rivojaona Raherimihaja.

Ankoatra izany fifampiarahabana izay, dinidiniky ny ray aman-dreny sy ny zanaka no nisy nandritra izany. Nanome toromarika ny filoha Marc Ravalomanana, fa mila amafisina hatrany ny firaisankina ho fiatrehana ny fiainam-pirenena, indrindra ireo fifidianana rehetra ho avy. Ao anatin’izany ny fanamafisana ny fototra, amin’ny alalan’ny fanetsehana sy fameloma-maso indray ny antoko. Misokatra amin’ny rehetra hatrany ny TIM: antsoina hanatevin-daharana ireo efa tao teo taloha, raisina an-tanan-droa ny vaovao ary hatevenina ny mahakasika ireo efa ao anatiny amin’izao fotoana.

Latsaka lalina anaty fahantrana ny vahoaka sy ny firenena Malagasy, noho ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra ankehitriny, nisongadina nandritra ny fihaonana, fa hanavotra ny vahoaka sy ny firenena latsaka an-davaka izao ny antoko Tiako i Madagasikara, tsy vitany samirery izany, fa tsy maintsy misy ny fisokafana amin’ny hafa, indrindra amin’ireo rehetra izay milaza fa mpanohitra ny fitondrana ankehitriny.

Nanambara kosa ireo mpitarika ny TIM Morondava, fa ny traikefan’ny filoha Marc Ravalomanana, no hanavotra indray an’i Madagasikara, amin’izy latsaka an-katerena tanteraka izao. Nanotrona ny fotoana omaly io, ny sekretera jeneraly nasiônalin’ny antoko TIM, Rina Randriamasinoro.